Genesis 30

拉结见自己不给雅各生子,就嫉妒她姊姊,对雅各说:「你给我孩子,不然我就死了。」
Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
雅各向拉结生气,说:「叫你不生育的是 神,我岂能代替他作主呢?」
Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
拉结说:「有我的使女辟拉在这里,你可以与她同房,使她生子在我膝下,我便因她也得孩子【原文作被建立】」。
Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am­pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
拉结就把她的使女辟拉给丈夫为妾;雅各便与她同房,
Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
辟拉就怀孕,给雅各生了一个儿子。
Dia nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
拉结说:「 神伸了我的冤,也听了我的声音,赐我一个儿子」,因此给他起名叫但【就是伸冤的意思】。
Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
拉结的使女辟拉又怀孕,给雅各生了第二个儿子。
Dia nanan'anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
拉结说:「我与我姊姊大大相争,并且得胜」,于是给他起名叫拿弗他利【就是相争的意思】。
Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
利亚见自己停了生育,就把使女悉帕给雅各为妾。
Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa.
利亚的使女悉帕给雅各生了一个儿子。
Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
利亚说:「万幸!」于是给他起名叫迦得【就是万幸的意思】。
Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
利亚的使女悉帕又给雅各生了第二个儿子。
Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia nitera­ka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
利亚说:「我有福啊,众女子都要称我是有福的」,于是给他起名叫亚设【就是有福的意思】。
Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
割麦子的时候,流便往田里去,寻见风茄,拿来给他母亲利亚。拉结对利亚说:「请你把你儿子的风茄给我些。」
Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
利亚说:「你夺了我的丈夫还算小事吗?你又要夺我儿子的风茄吗?」拉结说:「为你儿子的风茄,今夜他可以与你同寝。」
Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.
到了晚上,雅各从田里回来,利亚出来迎接他,说:「你要与我同寝,因为我实在用我儿子的风茄把你雇下了。」那一夜,雅各就与她同寝。
Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny.
 神应允了利亚,她就怀孕,给雅各生了第五个儿子。
Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba.
利亚说:「 神给了我价值,因为我把使女给了我丈夫」,于是给他起名叫以萨迦【就是价值的意思】。
Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
利亚又怀孕,给雅各生了第六个儿子。
Dia nanan'anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.
利亚说:「 神赐我厚赏;我丈夫必与我同住,因我给他生了六个儿子」,于是给他起名西布伦【就是同住的意思】。
Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
后来又生了一个女儿,给她起名叫底拿。
Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
 神顾念拉结,应允了她,使她能生育。
Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan'anaka azy.
拉结怀孕生子,说:「 神除去了我的羞耻」,
Ary nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
就给他起名叫约瑟【就是增添的意思】,意思说:愿耶和华再增添我一个儿子。
Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
拉结生约瑟之后,雅各对拉班说:「请打发我走,叫我回到我本乡本土去。
Ary rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko.
请你把我服事你所得的妻子和儿女给我,让我走;我怎样服事你,你都知道。」
Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
拉班对他说:「我若在你眼前蒙恩,请你仍与我同住,因为我已算定,耶和华赐福与我是为你的缘故」;
Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy.
又说:「请你定你的工价,我就给你。」
Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
雅各对他说:「我怎样服事你,你的牲畜在我手里怎样,是你知道的。
Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman'ondrinao tato amiko.
我未来之先,你所有的很少,现今却发大众多,耶和华随我的脚步赐福与你。如今,我什么时候才为自己兴家立业呢?」
Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko?
拉班说:「我当给你什么呢?」雅各说:「什么你也不必给我,只有一件事,你若应承,我便仍旧牧放你的羊群。
Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman'osinao:
今天我要走遍你的羊群,把绵羊中凡有点的、有斑的,和黑色的,并山羊中凡有斑的、有点的,都挑出来;将来这一等的就算我的工价。
Handeha hitety ny ondry aman'osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa ireny no ho karamako.
以后你来查看我的工价,凡在我手里的山羊不是有点有斑的,绵羊不是黑色的,那就算是我偷的;这样便可证出我的公义来。」
Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro izany.
拉班说:「好啊!我情愿照著你的话行。」
Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
当日,拉班把有纹的、有斑的公山羊,有点的,有斑的、有杂白纹的母山羊,并黑色的绵羊,都挑出来,交在他儿子们的手下,
Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny.
又使自己和雅各相离三天的路程。雅各就牧养拉班其余的羊。
Ary nasiany lalan­kateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman'osin'i Labana sisa.
雅各拿杨树、杏树、枫树的嫩枝,将皮剥成白纹,使枝子露出白的来,
Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsorakazo.
将剥了皮的枝子,对著羊群,插在饮羊的水沟里和水槽里,羊来喝的时候,牝牡配合。
Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
羊对著枝子配合,就生下有纹的、有点的、有斑的来。
Dia nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
雅各把羊羔分出来,使拉班的羊与这有纹和黑色的羊相对,把自己的羊另放一处,不叫他和拉班的羊混杂。
Ary ny zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin'ny ondry aman'osin'i Labana; ary natokany izay ondry aman'osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.
到羊群肥壮配合的时候,雅各就把枝子插在水沟里,使羊对著枝子配合。
Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsorakazo.
只是到羊瘦弱配合的时候就不插枝子。这样,瘦弱的就归拉班,肥壮的就归雅各。
Fa raha osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.
于是雅各极其发大,得了许多的羊群、仆婢、骆驼,和驴。
Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.