Exodus 39

比撒列用蓝色、紫色、朱红色线做精致的衣服,在圣所用以供职,又为亚伦做圣衣,是照耶和华所吩咐摩西的。
Ary tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
他用金线和蓝色、紫色、朱红色线,并撚的细麻做以弗得;
Ary nanao ny efoda tamin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
把金子锤成薄片,剪出线来,与蓝色、紫色、朱红色线,用巧匠的手工一同绣上。
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.
又为以弗得做两条相连的肩带,接连在以弗得的两头。
Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy.
其上巧工织的带子和以弗得一样的做法,用以束上,与以弗得接连一块,是用金线和蓝色、紫色、朱红色线,并撚的细麻做的,是照耶和华所吩咐摩西的。
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
又琢出两块红玛瑙,镶在金槽上,彷彿刻图书,按著以色列儿子的名字雕刻;
Ary ny vato beryla nasiany randram-bola­mena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.
将这两块宝石安在以弗得的两条肩带上,为以色列人做纪念石,是照耶和华所吩咐摩西的。
Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
他用巧匠的手工做胸牌,和以弗得一样的做法,用金线与蓝色、紫色、朱红色线,并撚的细麻做的。
Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
胸牌是四方的,叠为两层;这两层长一虎口,宽一虎口,
Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
上面镶著宝石四行:第一行是红宝石、红璧玺、红玉;
Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
第二行是绿宝石、蓝宝石、金钢石;
ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
第三行是紫玛瑙、白玛瑙、紫晶;
ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
第四行是水苍玉、红玛瑙、碧玉。这都镶在金槽中。
ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
这些宝石都是按著以色列十二个儿子的名字,彷彿刻图书,刻十二个支派的名字。
Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
在胸牌上,用精金拧成如绳子的鍊子。
Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy.
又做两个金槽和两个金环,安在胸牌的两头。
Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
把那两条拧成的金鍊子穿过胸牌两头的环子,
Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra.
又把鍊子的那两头接在两槽上,安在以弗得前面肩带上。
Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
做两个金环,安在胸牌的两头,在以弗得里面的边上,
Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
又做两个金环,安在以弗得前面两条肩带的下边,挨近相接之处,在以弗得巧工织的带子以上。
Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
用一条蓝细带子把胸牌的环子和以弗得的环子系住,使胸牌贴在以弗得巧工织的带子上,不可与以弗得离缝,是照耶和华所吩咐摩西的。
Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
他用织工做以弗得的外袍,颜色全是蓝的。
Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
袍上留一领口,口的周围织出领边来,彷彿铠甲的领口,免得破裂。
Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
在袍子底边上,用蓝色、紫色、朱红色线,并撚的细麻做石榴,
Ary teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
又用精金做铃铛,把铃铛钉在袍子周围底边上的石榴中间:
ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra):
一个铃铛一个石榴,一个铃铛一个石榴,在袍子周围底边上用以供职,是照耶和华所吩咐摩西的。
dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
他用织成的细麻布为亚伦和他的儿子做内袍,
Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany.
并用细麻布做冠冕和华美的裹头巾,用撚的细麻布做裤子,
Ary ny hamama dia na­taony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
又用蓝色、紫色、朱红色线,并撚的细麻,以绣花的手工做腰带,是照耶和华所吩咐摩西的。
Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
他用精金做圣冠上的牌,在上面按刻图书之法,刻著归耶和华为圣。
Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
又用一条蓝细带子将牌系在冠冕上,是照耶和华所吩咐摩西的。
Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
帐幕,就是会幕,一切的工就这样做完了。凡耶和华所吩咐摩西的,以色列人都照样作了。
Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
他们送到摩西那里。帐幕和帐幕的一切器具,就是钩子、板、闩、柱子、带卯的座,
Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
染红公羊皮的盖、海狗皮的顶盖,和遮掩柜的幔子,
ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
法柜和柜的杠并施恩座,
ary ny fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
桌子和桌子的一切器具并陈设饼,
ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
精金的灯台和摆列的灯盏,与灯台的一切器具,并点灯的油,
ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
金坛、膏油、馨香的香料、会幕的门帘,
ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny trano-lay,
铜坛和坛上的铜网,坛的杠并坛的一切器具,洗濯盆和盆座,
ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
院子的帷子和柱子,并带卯的座,院子的门帘、绳子、橛子,并帐幕和会幕中一切使用的器具,
ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana,
精工做的礼服,和祭司亚伦并他儿子在圣所用以供祭司职分的圣衣。
ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana.
这一切工作都是以色列人照耶和华所吩咐摩西做的。
Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra.
耶和华怎样吩咐的,他们就怎样做了。摩西看见一切的工都做成了,就给他们祝福。
Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.