Exodus 38

他用皂荚木做燔祭坛,是四方的,长五肘,宽五肘,高三肘,
Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
在坛的四拐角上做四个角,与坛接连一块,用铜把坛包裹。
Ary nanao ny tandrony teo amin'ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
他做坛上的盆、铲子、盘子、肉锸子、火鼎;这一切器具都是用铜做的。
Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron'afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran'afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
又为坛做一个铜网,安在坛四面的围腰板以下,从下达到坛的半腰。
Ary nanao makarakara vara­hina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.
为铜网的四角铸四个环子,作为穿杠的用处。
Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin'ny makarakara varahina izy ho fitoeran'ny bao.
用皂荚木做杠,用铜包裹,
Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
把杠穿在坛两旁的环子内,用以抬坛,并用板做坛;坛是空的。
Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
他用铜做洗濯盆和盆座,是用会幕门前伺候的妇人之镜子做的。
Ary ny tavy varahina sy ny faladiany vara­hina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
他做帐幕的院子。院子的南面用撚的细麻做帷子,宽一百肘。
Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;
帷子的柱子二十根,带卯的铜座二十个;柱子上的钩子和杆子都是用银子做的。
ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany vara­hina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
北面也有帷子,宽一百肘。帷子的柱子二十根,带卯的铜座二十个;柱子上的钩子和杆子都是用银子做的。
Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
院子的西面有帷子,宽五十肘。帷子的柱子十根,带卯的座十个;柱子的钩子和杆子都是用银子做的。
Ary tamin'ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
院子的东面,宽五十肘。
Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
门这边的帷子十五肘,那边也是一样。帷子的柱子三根,带卯的座三个。在门的左右各有帷子十五肘,帷子的柱子三根,带卯的座三个。
Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
并入上节
Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
院子四面的帷子都是用撚的细麻做的。
Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina.
柱子带卯的座是铜的,柱子上的钩子和杆子是银的,柱顶是用银子包的。院子一切的柱子都是用银杆连络的。
Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
院子的门帘是以绣花的手工,用蓝色、紫色、朱红色线,和撚的细麻织的,宽二十肘,高五肘,与院子的帷子相配。
Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.
帷子的柱子四根,带卯的铜座四个;柱子上的钩子和杆子是银的;柱顶是用银子包的。
Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
帐幕一切的橛子和院子四围的橛子都是铜的。
Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
这是法柜的帐幕中利未人所用物件的总数,是照摩西的吩咐,经祭司亚伦的儿子以他玛的手数点的。
Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
凡耶和华所吩咐摩西的都是犹大支派户珥的孙子、乌利的儿子比撒列做的。
Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
与他同工的有但支派中亚希撒抹的儿子亚何利亚伯;他是雕刻匠,又是巧匠,又能用蓝色、紫色、朱红色线,和细麻绣花。
Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
为圣所一切工作使用所献的金子,按圣所的平,有二十九他连得并七百三十舍客勒。
Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
会中被数的人所出的银子,按圣所的平,有一百他连得并一千七百七十五舍客勒。
Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina:
凡过去归那些被数之人的,从二十岁以外,有六十万零三千五百五十人。按圣所的平,每人出银半舍客勒,就是一比加。
beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
用那一百他连得银子铸造圣所带卯的座和幔子柱子带卯的座;一百他连得共一百带卯的座,每带卯的座用一他连得。
Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
用那一千七百七十五舍客勒银子做柱子上的钩子,包裹柱顶并柱子上的杆子。
Ary tamin'ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin'ny andry, sy nametahana takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
所献的铜有七十他连得并二千四百舍客勒。
Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
用这铜做会幕门带卯的座和铜坛,并坛上的铜网和坛的一切器具,
Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
并院子四围带卯的座和院门带卯的座,与帐幕一切的橛子和院子四围所有的橛子。
ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.