Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.
Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao?
Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.