Ary tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.
Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana,
ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana.