Matthew 4

Me i reira ka arahina a Ihu e te Wairua ki te koraha, kia whakamatautauria e te rewera.
Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy.
A, no ka wha tekau nga ra ka wha tekau nga po i nohopuku ai, muri iho ka hiakai.
Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
Na ka tae te kaiwhakamatautau ki a ia, ka mea, Ki te mea ko te Tama koe a te Atua, kiia iho kia meinga enei kohatu hei taro.
Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
Na ka whakahoki ia, ka mea, Kua oti te tuhituhi, E kore e ora te tangata i te taro kau, engari i nga kupu katoa e puta mai ana i te mangai o te Atua.
Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3).
Me i reira ka kawe te rewera i a ia ki te pa tapu, a whakaturia ana ia ki runga ki te keokeonga o te temepara,
Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,
A ka mea ki a ia, Ki te mea ko te Tama koe a te Atua, rere atu ki raro: kua oti hoki te tuhituhi, Ka korerotia iho koe e ia ki ana anahera; ma ratou koe e hiki ake ki o ratou ringa, kei tutuki tou waewae ki te kohatu.
dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
Mea atu ana a Ihu ki a ia, Ka oti ano hoki te tuhituhi, Kaua e whakamatautau ki te Ariki ki tou Atua.
Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
Ka kawe ano te rewera i a ia ki runga ki tetahi maunga tiketike rawa, a whakakitea ana ki a ia nga rangatiratanga katoa o te ao, me te kororia o aua mea;
Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,
A mea ana ki a ia, Ko enei mea katoa e hoatu e ahau ki a koe, ki te tapapa koe, ki te koropiko ki ahau.
dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
Na ka mea a Ihu ki a ia, Haere atu, e Hatana; kua oti hoki te tuhituhi, Me koropiko koe ki te Ariki ki tou Atua, me mahi ano ki a ia anake.
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13).
Na ka mahue ia i te rewera, a ka haere mai nga anahera ka mahi mea mana.
Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
A, no ka rongo a Ihu kua tukua a Hoani ki te whare herehere, ka haere ia ki Kariri;
Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.
A ka mahue a Nahareta i a ia, a haere ana, ka noho ki Kaperenauma, ki te taha o te moana, ki nga rohe o Hepurona, o Napatari:
Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,
I rite ai ta Ihaia poropiti i korero ai, i mea ai,
mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
Ko te whenua o Hepurona, me te whenua o Napatari, i te ara o te moana, i tera taha o Horano, Kariri o nga tauiwi,
Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa,
Ko te hunga i noho i te pouri kua kite ratou i te marama nui; a koe te hunga i noho i te wahi i te atarangi o te mate, kua puta ake te marama ki a ratou.
Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).
No reira ano a Ihu i timata ai te kauwhau, te mea, Ripeneta, kua tata hoki te rangatiratanga o te rangi.
Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
A, i a Ihu e haere ana i te taha o te moana o Kariri, ka kite ia i etahi tangata tokorua, he tuakana he teina, i a Haimona, tona ingoa nei ko Pita, raua ko tona teina ko Anaru, e maka ana i te kupenga ki te moana; he kaihao ika hoki raua.
Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
Na ka mea ia ki a raua, Arumia mai ahau, a maku korua e mea hei kaihao tangata.
Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
A mahue ake i a raua nga kupenga, a aru ana i a ia.
Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
A, no tona haerenga i reira, tokorua ano ana i kite ai, he tuakana, he teina, ko Hemi tama a Heperi raua ko tona teina ko Hoani, i te kaipuke i a Heperi i to raua matua, e ta ana i nga korenga o a ratou kupenga: a karangatia ana raua e ia.
Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
Mahue tonu ake i a raua te kaipuke me to raua matua, a aru ana i a ia.
Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
Na ka haereerea katoatia a Kariri e Ihu, whakaako ana i roto i o ratou whare karakia, kauwhau ana i te rongopai o te rangatiratanga, me te whakaora i nga mate katoa, i nga turorotanga katoa o te iwi.
Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.
A ka haere tona rongo puta noa i Hiria; a kawea ana mai e ratou ki a ia nga tangata mate katoa e ngaua ana e te tini o nga mate, o nga mamae, me te hunga e nohoia ana e te rewera, me te hunga haurangi, me nga pararutiki; a whakaorangia ake ratou e ia.
Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.
A he rahi te hui i aru i a ia i Kariri, i Rekaporihi, i Hiruharama, i Huria, i tera taha ano o Horano.
Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.