Genesis 29

Na ka turia atu e Hakopa, ka haere ki te whenua o nga tangata o te rawhiti.
Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.
Na ka titiro atu ia, a ka kite i tetahi poka i te parae, na, ko etahi kahui hipi e toru e takoto ana i te taha; i whakainumia hoki e ratou nga kahui ki te wai o taua poka: he nui hoki te kohatu i te waha o te poka.
Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.
I huihuia hoki ki reira nga kahui katoa: a whakataka atu ana e ratou te kohatu i te waha o te poka, kia whakainumia ai nga hipi, na ka whakahokia ano e ratou te kohatu ki te waha o te poka, ki tona wahi.
Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.
Na ka mea a Hakopa ki a ratou, E oku tuakana, no hea koutou? A ka mea ratou, No Harana matou.
Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
Na ka mea ia ki a ratou, E mohio ana ianei koutou ki a Rapana, tama a Nahora? Ka mea ratou, E mohio ana ano matou.
Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
A ka mea ia ki a ratou, E ora ana ranei ia? Ka mea ratou, E ora ana ano: ko Rahera ano tenei, ko tana tamahine te haere mai nei me nga hipi.
Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.
Na ka mea ia, Nana, he nui ano te ra, ehara tenei i te wa hei huihuinga mai mo nga kararehe: whakainumia nga hipi, haere hoki ki te whangai.
Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
Na ka mea ratou, E kore e taea e matou, kia huihuia mai ra ano nga kahui katoa, kia whakataka hoki e ratou te kohatu i te waha o te poka; katahi ka whakainu matou i nga hipi.
Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
I a ia ano e korero ana ki a ratou, ka puta mai a Rahera me nga hipi a tona papa: ko ia hoki te kaiwhangai.
Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
A, no te kitenga o Hakopa i a Rahera tamahine a Rapana, tungane o tona whaea, me nga hipi hoki a Rapana, tungane o tona whaea, na ka haere a Hakopa, a whakataka atu ana e ia te kohatu i te waha o te poka, whakainumia ana e ia nga hipi a Rapana, tungane o tona whaea.
Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy.
Na ka kihi a Hakopa i a Rahera, a nui atu tona reo ki te tangi.
Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
Na ka whakaaturia e Hakopa ki a Rahera ko ia te iramutu o tona papa, he tama hoki na Ripeka: a ka rere ia ki te korero ki tona papa.
Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
Na, i te taenga atu ki a Rapana o te rongo o Hakopa, tama a tona tuahine, ka rere ia ki te whakatau i a ia, ka awhi i a ia, ka kihi hoki i a ia, a kawea ana ki tona whare. A ka korerotia e ia enei mea katoa ki a Rapana.
Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.
Na ka mea a Rapana ki a ia, He pono ko toku whenua, ko toku kikokiko koe. A kotahi te marama i noho ai ia ki a ia.
Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
Na ka mea a Rapana ki a Hakopa, No te mea ko taku iramutu koe, me mahi noa ano koe ki ahau? korero mai ki ahau, me aha he utu mou?
dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hano­mpo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.
Na tokorua nga tamahine a Rapana: ko te ingoa o te tuakana ko Rea, ko te ingoa hoki o te teina ko Rahera.
Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.
He papahewa nga kanohi o Rea; he mea ahuareka ia a Rahera, he ataahua hoki ki te titiro atu.
Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
Na i aroha a Hakopa ki a Rahera; a ka mea ia, Kia whitu nga tau e mahi ai ahau ki a koe mo Rahera, mo tau tamahine o muri.
Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
Na ka mea a Rapana, Engari te hoatu e ahau ki a koe, kei hoatu ki te tangata ke: e noho ki ahau.
Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
Na e whitu nga tau i mahi ai a Hakopa mo Rahera; a he rangi torutoru noa ake te rite o aua tau ki tona whakaaro, i tona aroha ki a ia.
Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
Na ka mea a Hakopa ki a Rapana, Homai taku wahine, kua rite nei hoki oku ra, kia haere ahau ki roto, ki a ia.
Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.
Na ka huihuia mai e Rapana nga tangata katoa o taua wahi, a tukua ana e ia he hakari.
Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
A, i te ahiahi ka mau ia ki a Rea ki tana tamahine, a kawea ana ia ki a ia; a ka haere ia ki roto, ki a ia.
Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
A i hoatu e Rapana a Tiripa, tana pononga wahine, hei pononga ma Rea, ma tana tamahine.
Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
A, i te ata, na, ko Rea ia: a ka mea ia ki a Rapana, He aha tenei mahi au ki ahau? ehara ianei a Rahera i taku i mahi ai ahau ki a koe? he aha ra koe i tinihanga ai ki ahau?
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
Na ko te meatanga a Rapana, Ehara tenei i te tikanga o to matou whenua, kia hoatu te teina ki mua o te tuakana.
Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.
Whakatutukitia te wiki mo tenei, a ka hoatu ano hoki tera e matou ki a koe mo te mahi e mahi ai koe ki ahau i etahi atu tau e whitu.
Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
A pera ana a Hakopa, a whakatutukitia ana e ia te wiki mo tenei: a ka homai e ia a Rahera, tana tamahine, ki a ia hei wahine mana.
Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
I homai ano e Rapana a Piriha, tana pononga wahine, ki a Rahera, ki tana tamahine, hei pononga mana.
Ary nomen'i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
Na ka haere ano hoki ia ki roto, ki a Rahera, a nui atu tona aroha ki a Rahera i tona ki a Rea; e whitu atu ano nga tau i mahi ai ia ki a ia.
Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy.
A ka kite a Ihowa e kinongia ana a Rea, ka whakatuwheratia e ia tona kopu: he pakoko ia a Rahera.
Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
Na ka hapu a Rea, a ka whanau he tama, a huaina ana e ia tona ingoa ko Reupena: i mea hoki ia, Mo Ihowa hoki i titiro mai ki toku tangihanga; ta te mea hoki akuanei taku tahu aroha ai ki ahau.
Dia nanan'anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia na­taony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho.
Na ka hapu ano ia, a ka whanau he tama; a ka mea ia, I rongo hoki a Ihowa e kinongia ana ahau, koia i homai ai hoki e ia tenei ki ahau: a huaina ana e ia tona ingoa ko Himiona.
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
Na ka hapu ano ia, a ka whanau he tama; a ka mea ia, Katahi ano taku tahu ka piri mai ki ahau, no te mea hoki ka tokotoru a maua tama ka whanau; na reira i huaina ai e ia tona ingoa ko Riwai.
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
Na ka hapu ano ia, a ka whanau he tama; a ka mea ia, Katahi ahau ka whakamoemiti ki a Ihowa: koia i huaina ai e ia tona ingoa ko Hura: a ka mutu tana whanau.
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.