Job 14

Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
Man that is born of a woman is of few days, and full of trouble.
Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.
He cometh forth like a flower, and is cut down: he fleeth also as a shadow, and continueth not.
kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana!
And dost thou open thine eyes upon such an one, and bringest me into judgment with thee?
Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
Who can bring a clean thing out of an unclean? not one.
Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
Seeing his days are determined, the number of his months are with thee, thou hast appointed his bounds that he cannot pass;
Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin'ny androny toy ny mpikarama.
Turn from him, that he may rest, till he shall accomplish, as an hireling, his day.
Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
For there is hope of a tree, if it be cut down, that it will sprout again, and that the tender branch thereof will not cease.
Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,
Though the root thereof wax old in the earth, and the stock thereof die in the ground;
Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
Yet through the scent of water it will bud, and bring forth boughs like a plant.
Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
But man dieth, and wasteth away: yea, man giveth up the ghost, and where is he?
Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
As the waters fail from the sea, and the flood decayeth and drieth up:
Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.
So man lieth down, and riseth not: till the heavens be no more, they shall not awake, nor be raised out of their sleep.
Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy
O that thou wouldest hide me in the grave, that thou wouldest keep me secret, until thy wrath be past, that thou wouldest appoint me a set time, and remember me!
Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako.
If a man die, shall he live again? all the days of my appointed time will I wait, till my change come.
Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.
Thou shalt call, and I will answer thee: thou wilt have a desire to the work of thine hands.
Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
For now thou numberest my steps: dost thou not watch over my sin?
Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
My transgression is sealed up in a bag, and thou sewest up mine iniquity.
Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;
And surely the mountain falling cometh to nought, and the rock is removed out of his place.
Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.
The waters wear the stones: thou washest away the things which grow out of the dust of the earth; and thou destroyest the hope of man.
Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
Thou prevailest for ever against him, and he passeth: thou changest his countenance, and sendest him away.
Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
His sons come to honour, and he knoweth it not; and they are brought low, but he perceiveth it not of them.
Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
But his flesh upon him shall have pain, and his soul within him shall mourn.