Nehemiah 11

Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
וישבו שרי העם בירושלם ושאר העם הפילו גורלות להביא אחד מן העשרה לשבת בירושלם עיר הקדש ותשע הידות בערים׃
Ary nisaoran'ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.
ויברכו העם לכל האנשים המתנדבים לשבת בירושלם׃
Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona.
ואלה ראשי המדינה אשר ישבו בירושלם ובערי יהודה ישבו איש באחזתו בעריהם ישראל הכהנים והלוים והנתינים ובני עבדי שלמה׃
Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany tamin'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny avy tamin'ny taranak'i Joda dia Ataia, zanak'i Ozia, zanak'i Zakaria, zanak'i Amaria, zanak'i Sefatia, zanak'i Mahalalila, avy tamin'ny taranak'i Fareza;
ובירושלם ישבו מבני יהודה ומבני בנימן מבני יהודה עתיה בן עזיה בן זכריה בן אמריה בן שפטיה בן מהללאל מבני פרץ׃
ary Mahaseia, zanak'i Baroka, zanak'i Kola-hoze, zanak'i Hazaia, zanak'i Adaia, zanak'i Joariba, zanak'i Zakaria, zanak'ilay Silonita.
ומעשיה בן ברוך בן כל חזה בן חזיה בן עדיה בן יויריב בן זכריה בן השלני׃
Ny taranak'i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.
כל בני פרץ הישבים בירושלם ארבע מאות ששים ושמנה אנשי חיל׃
Ary izao no taranak'i Benjamina: Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Joeda, zanak'i Pedaia, zanak'i Kolaia, zanak'i Mahaseia, zanak'Itiela,zanak'i Jesaia;
ואלה בני בנימן סלא בן משלם בן יועד בן פדיה בן קוליה בן מעשיה בן איתיאל בן ישעיה׃
ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.
ואחריו גבי סלי תשע מאות עשרים ושמנה׃
Ary Joela, zanak'i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanàna.
ויואל בן זכרי פקיד עליהם ויהודה בן הסנואה על העיר משנה׃
Ny avy tamin'ny mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba, ary Jakina.
מן הכהנים ידעיה בן יויריב יכין׃
Ary Seraia, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
שריה בן חלקיה בן משלם בן צדוק בן מריות בן אחיטוב נגד בית האלהים׃
Ary ny rahalahin'ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia,
ואחיהם עשי המלאכה לבית שמנה מאות עשרים ושנים ועדיה בן ירחם בן פלליה בן אמצי בן זכריה בן פשחור בן מלכיה׃
ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera,
ואחיו ראשים לאבות מאתים ארבעים ושנים ועמשסי בן עזראל בן אחזי בן משלמות בן אמר׃
mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy.
ואחיהם גבורי חיל מאה עשרים ושמנה ופקיד עליהם זבדיאל בן הגדולים׃
Ary ny avy tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i Bony;
ומן הלוים שמעיה בן חשוב בן עזריקם בן חשביה בן בוני׃
ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra.
ושבתי ויוזבד על המלאכה החיצנה לבית האלהים מראשי הלוים׃
Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona.
ומתניה בן מיכה בן זבדי בן אסף ראש התחלה יהודה לתפלה ובקבקיה משנה מאחיו ועבדא בן שמוע בן גלל בן ידיתון׃
Ny Levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.
כל הלוים בעיר הקדש מאתים שמנים וארבעה׃
Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin'ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato.
והשוערים עקוב טלמון ואחיהם השמרים בשערים מאה שבעים ושנים׃
Ary ny sisa tamin'ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin'ny zara-taniny avy.
ושאר ישראל הכהנים הלוים בכל ערי יהודה איש בנחלתו׃
Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.
והנתינים ישבים בעפל וציחא וגשפא על הנתינים׃
Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa.
ופקיד הלוים בירושלם עזי בן בני בן חשביה בן מתניה בן מיכא מבני אסף המשררים לנגד מלאכת בית האלהים׃
Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro.
כי מצות המלך עליהם ואמנה על המשררים דבר יום ביומו׃
Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona.
ופתחיה בן משיזבאל מבני זרח בן יהודה ליד המלך לכל דבר לעם׃
Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,
ואל החצרים בשדתם מבני יהודה ישבו בקרית הארבע ובנתיה ובדיבן ובנתיה וביקבצאל וחצריה׃
ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta
ובישוע ובמולדה ובבית פלט׃
sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,
ובחצר שועל ובבאר שבע ובנתיה׃
ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,
ובצקלג ובמכנה ובבנתיה׃
ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota
ובעין רמון ובצרעה ובירמות׃
sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy.
זנח עדלם וחצריהם לכיש ושדתיה עזקה ובנתיה ויחנו מבאר שבע עד גיא הנם׃
Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,
ובני בנימן מגבע מכמש ועיה ובית אל ובנתיה׃
ary tany Anatota sy Noba sy Anania
ענתות נב ענניה׃
sy Hazora sy Rama sy Gitaima
חצור רמה גתים׃
sy Hadida sy Zeboima sy Nebala
חדיד צבעים נבלט׃
sy Loda sy Ono, lohasahan'ny mahay tao-zavatra.
לד ואונו גי החרשים׃
Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.
ומן הלוים מחלקות יהודה לבנימין׃