Nehemiah 10

Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.
ועל החתומים נחמיה התרשתא בן חכליה וצדקיה׃
Ary ny nanisy tombo-kase dia Nehemia governora, zanak'i Hakalia, sy Zedekia,
שריה עזריה ירמיה׃
ary Seraia, Azaria, Jeremia,
פשחור אמריה מלכיה׃
Pasora, Amaria, Malkia,
חטוש שבניה מלוך׃
Hatosy, Sebania, Maloka,
חרם מרמות עבדיה׃
Harima, Meremota, Obadia,
דניאל גנתון ברוך׃
Daniela, Ginetona, Baroka,
משלם אביה מימן׃
Mesolama, Abia, Miamina,
מעזיה בלגי שמעיה אלה הכהנים׃
Mazia, Bilgay, Semaia; samy mpisorona ireo.
והלוים וישוע בן אזניה בנוי מבני חנדד קדמיאל׃
Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak'i Azania, Binoy isan'ny zanak'i Henadada, ary Kadmiela;
ואחיהם שבניה הודיה קליטא פלאיה חנן׃
ary ny rahalahin'ireo dia Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,
מיכא רחוב חשביה׃
Mika, Rehoba, Hasabia,
זכור שרביה שבניה׃
Zakora, Serebia, Sebania,
הודיה בני בנינו׃
Hodia, Bany Benino.
ראשי העם פרעש פחת מואב עילם זתוא בני׃
Ary ny loholona kosa dia Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,
בני עזגד בבי׃
Bony, Azgada, Bebay,
אדניה בגוי עדין׃
Adonia, Bigvay, Adina,
אטר חזקיה עזור׃
Atera, Hezekia, Azora,
הודיה חשם בצי׃
Hodia, Hasoma, Bezay,
חריף ענתות נובי׃
Harifa, Anatota, Nebay,
מגפיעש משלם חזיר׃
Magpiasy, Mesolama, Hezira,
משיזבאל צדוק ידוע׃
Mesezabela, Zadoka, Jadoa,
פלטיה חנן עניה׃
Pelatia, Hanana, Anaia,
הושע חנניה חשוב׃
Hosea, Hanania, Hasoba,
הלוחש פלחא שובק׃
Halohesy, Pila, Sobeka,
רחום חשבנה מעשיה׃
Rehoma, Hasabna, Mahaseia,
ואחיה חנן ענן׃
Ahia, Hanana, Anana,
מלוך חרם בענה׃
Maloka, Harima, Bana.
ושאר העם הכהנים הלוים השוערים המשררים הנתינים וכל הנבדל מעמי הארצות אל תורת האלהים נשיהם בניהם ובנתיהם כל יודע מבין׃
Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin'ny tompon-tany hanaraka ny lalàn'Andriamanitra mbamin'ny vadin'ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,
מחזיקים על אחיהם אדיריהם ובאים באלה ובשבועה ללכת בתורת האלהים אשר נתנה ביד משה עבד האלהים ולשמור ולעשות את כל מצות יהוה אדנינו ומשפטיו וחקיו׃
dia samy nikambana tsara tamin'ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan'Andriamanitra, izay nampilazaina an'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon'i Jehovah Tompontsika mbamin'ny fitsipika sy ny lalàny;
ואשר לא נתן בנתינו לעמי הארץ ואת בנתיהם לא נקח לבנינו׃
ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin'ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin'ny zanakai-lahy;
ועמי הארץ המביאים את המקחות וכל שבר ביום השבת למכור לא נקח מהם בשבת וביום קדש ונטש את השנה השביעית ומשא כל יד׃
tsy hividy zavatra amin'ny andro Sabata, na amin'izay andro masina, raha misy entana na vary entin'ny tompon-tany hamidy amin'ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin'ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
והעמדנו עלינו מצות לתת עלינו שלשית השקל בשנה לעבדת בית אלהינו׃
Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon'Andriamanitsika:
ללחם המערכת ומנחת התמיד ולעולת התמיד השבתות החדשים למועדים ולקדשים ולחטאות לכפר על ישראל וכל מלאכת בית אלהינו׃
dia ho amin'ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin'ny zava-masina sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon'Andriamanitsika.
והגורלות הפלנו על קרבן העצים הכהנים הלוים והעם להביא לבית אלהינו לבית אבתינו לעתים מזמנים שנה בשנה לבער על מזבח יהוה אלהינו ככתוב בתורה׃
Ary nanao filokana izahay ny amin'ny hanateran'ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon'Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin'ny fotoan'andro isan-taona, handoroana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna,
ולהביא את בכורי אדמתנו ובכורי כל פרי כל עץ שנה בשנה לבית יהוה׃
ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon'i Jehovah isan-taona isan-taona;
ואת בכרות בנינו ובהמתינו ככתוב בתורה ואת בכורי בקרינו וצאנינו להביא לבית אלהינו לכהנים המשרתים בבית אלהינו׃
ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman'osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon'i Jehovah Andriamanitsika, ho an'ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitsika;
ואת ראשית עריסתינו ותרומתינו ופרי כל עץ תירוש ויצהר נביא לכהנים אל לשכות בית אלהינו ומעשר אדמתנו ללוים והם הלוים המעשרים בכל ערי עבדתנו׃
ary mba hitondranay ho an'ny mpisorona koa ny voalohan'ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika, ary ny ampahafolon'ny vokatry ny taninay ho an'ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin'ny fambolenay.
והיה הכהן בן אהרן עם הלוים בעשר הלוים והלוים יעלו את מעשר המעשר לבית אלהינו אל הלשכות לבית האוצר׃
Ary hisy mpisorona anankiray, taranak'i Arona, hiaraka amin'ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon'ny fahafolon-karena dia ho entin'ny Levita miakatra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, ho ao amin'ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra. Fa ho ao amin'ireo efi-trano ireo no hitondran'ny Zanak'Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin'ilay itoeran'ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon'Andriamanitsika izahay.
כי אל הלשכות יביאו בני ישראל ובני הלוי את תרומת הדגן התירוש והיצהר ושם כלי המקדש והכהנים המשרתים והשוערים והמשררים ולא נעזב את בית אלהינו׃