Nehemiah 12

Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,
ואלה הכהנים והלוים אשר עלו עם זרבבל בן שאלתיאל וישוע שריה ירמיה עזרא׃
Amaria, Maloka, Hatosy,
אמריה מלוך חטוש׃
Sekania, Rehoma, Meremota,
שכניה רחם מרמת׃
Ido, Ginetoy, Abia,
עדוא גנתוי אביה׃
Miamina, Madia, Bilga,
מימין מעדיה בלגה׃
Semaia, Joiariba, Jedaia,
שמעיה ויויריב ידעיה׃
Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan'ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin'ny andron'i Jesoa.
סלו עמוק חלקיה ידעיה אלה ראשי הכהנים ואחיהם בימי ישוע׃
Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian'ny fiderana.
והלוים ישוע בנוי קדמיאל שרביה יהודה מתניה על הידות הוא ואחיו׃
Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin'ireo, dia nifanandrify tamin'ny anjara-raharahany.
ובקבקיה וענו אחיהם לנגדם למשמרות׃
Ary Jesoa niteraka an'i Joiakima; ary Joiakima niteraka an'i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an'i Joiada;
וישוע הוליד את יויקים ויויקים הוליד את אלישיב ואלישיב את יוידע׃
ary Joiada niteraka an'i Jonatana; ary Jonatana niteraka an'i Jadoa.
ויוידע הוליד את יונתן ויונתן הוליד את ידוע׃
Ary tamin'ny andron'i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan'ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin'i Seraia dia Meraia; ny avy tamin'i Jeremia dia Hanania;
ובימי יויקים היו כהנים ראשי האבות לשריה מריה לירמיה חנניה׃
ny avy tamin'i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin'i Amaria dia Johanana;
לעזרא משלם לאמריה יהוחנן׃
ny avy tamin'i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin'i Sebania dia Josefa;
למלוכי יונתן לשבניה יוסף׃
ny avy tamin'i Hadma dia Adna; ny avy tamin'i Meraiota dia Helkay;
לחרם עדנא למריות חלקי׃
ny avy tamin'Ido dia Zakaria; ny avy tamin'i Ginetona dia Mesolama;
לעדיא זכריה לגנתון משלם׃
ny avy tamin'i Abia dia Zikry; ny avy tamin'i Miniamina, avy tamin'i Moadia, dia Piltahy;
לאביה זכרי למנימין למועדיה פלטי׃
ny avy tamin'i Bilga dia Samoa; ny avy tamin'i Semaia dia Jonatana;
לבלגה שמוע לשמעיה יהונתן׃
ny avy tamin'i Joariba dia Matenay; ny avy tamin'i Jedaia dia Ozy;
וליויריב מתני לידעיה עזי׃
ny avy tamin'i Salay dia Kalay; ny avy tamin'i Amoka dia Ebera;
לסלי קלי לעמוק עבר׃
ny avy tamin'i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin'i Jedaia dia Netanela.
לחלקיה חשביה לידעיה נתנאל׃
Tamin'ny andron'i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy Persiana.
הלוים בימי אלישיב יוידע ויוחנן וידוע כתובים ראשי אבות והכהנים על מלכות דריוש הפרסי׃
Ny taranak'i Levy, lohan'ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana, zanak'i Eliasiba.
בני לוי ראשי האבות כתובים על ספר דברי הימים ועד ימי יוחנן בן אלישיב׃
Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
וראשי הלוים חשביה שרביה וישוע בן קדמיאל ואחיהם לנגדם להלל להודות במצות דויד איש האלהים משמר לעמת משמר׃
Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin'ny trano firaketana.
מתניה ובקבקיה עבדיה משלם טלמון עקוב שמרים שוערים משמר באספי השערים׃
Ireo no tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy tamin'ny andron'i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.
אלה בימי יויקים בן ישוע בן יוצדק ובימי נחמיה הפחה ועזרא הכהן הסופר׃
Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
ובחנכת חומת ירושלם בקשו את הלוים מכל מקומתם להביאם לירושלם לעשת חנכה ושמחה ובתודות ובשיר מצלתים נבלים ובכנרות׃
Dia niangona ny mpihira avy tamin'ny tany lemaka manodidina an'i Jerosalema sy ny avy tamin'ny vohitry ny Netofatita
ויאספו בני המשררים ומן הככר סביבות ירושלם ומן חצרי נטפתי׃
sy Beti-gilgala ary ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira.
ומבית הגלגל ומשדות גבע ועזמות כי חצרים בנו להם המשררים סביבות ירושלם׃
Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
ויטהרו הכהנים והלוים ויטהרו את העם ואת השערים ואת החומה׃
Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;
ואעלה את שרי יהודה מעל לחומה ואעמידה שתי תודת גדולת ותהלכת לימין מעל לחומה לשער האשפת׃
ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin'ny Joda,
וילך אחריהם הושעיה וחצי שרי יהודה׃
dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
ועזריה עזרא ומשלם׃
sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
יהודה ובנימן ושמעיה וירמיה׃
ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,
ומבני הכהנים בחצצרות זכריה בן יונתן בן שמעיה בן מתניה בן מיכיה בן זכור בן אסף׃
mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.
ואחיו שמעיה ועזראל מללי גללי מעי נתנאל ויהודה חנני בכלי שיר דויד איש האלהים ועזרא הסופר לפניהם׃
Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.
ועל שער העין ונגדם עלו על מעלות עיר דויד במעלה לחומה מעל לבית דויד ועד שער המים מזרח׃
Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,
והתודה השנית ההולכת למואל ואני אחריה וחצי העם מעל להחומה מעל למגדל התנורים ועד החומה הרחבה׃
ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.
ומעל לשער אפרים ועל שער הישנה ועל שער הדגים ומגדל חננאל ומגדל המאה ועד שער הצאן ועמדו בשער המטרה׃
Dia nijanona tao an-tranon'Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
ותעמדנה שתי התודת בבית האלהים ואני וחצי הסגנים עמי׃
ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
והכהנים אליקים מעשיה מנימין מיכיה אליועיני זכריה חנניה בחצצרות׃
ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
ומעשיה ושמעיה ואלעזר ועזי ויהוחנן ומלכיה ועילם ועזר וישמיעו המשררים ויזרחיה הפקיד׃
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin'izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
ויזבחו ביום ההוא זבחים גדולים וישמחו כי האלהים שמחם שמחה גדולה וגם הנשים והילדים שמחו ותשמע שמחת ירושלם מרחוק׃
Ary tamin'izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
ויפקדו ביום ההוא אנשים על הנשכות לאוצרות לתרומות לראשית ולמעשרות לכנוס בהם לשדי הערים מנאות התורה לכהנים וללוים כי שמחת יהודה על הכהנים ועל הלוים העמדים׃
Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin'Andriamaniny sy ny amin'ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin'i Davida sy Solomona zanany.
וישמרו משמרת אלהיהם ומשמרת הטהרה והמשררים והשערים כמצות דויד שלמה בנו׃
Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.
כי בימי דויד ואסף מקדם ראש המשררים ושיר תהלה והדות לאלהים׃
Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.
וכל ישראל בימי זרבבל ובימי נחמיה נתנים מניות המשררים והשערים דבר יום ביומו ומקדשים ללוים והלוים מקדשים לבני אהרן׃