Ezra 10

Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
וכהתפלל עזרא וכהתודתו בכה ומתנפל לפני בית האלהים נקבצו אליו מישראל קהל רב מאד אנשים ונשים וילדים כי בכו העם הרבה בכה׃
Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany.
ויען שכניה בן יחיאל מבני עולם ויאמר לעזרא אנחנו מעלנו באלהינו ונשב נשים נכריות מעמי הארץ ועתה יש מקוה לישראל על זאת׃
Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
ועתה נכרת ברית לאלהינו להוציא כל נשים והנולד מהם בעצת אדני והחרדים במצות אלהינו וכתורה יעשה׃
Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
קום כי עליך הדבר ואנחנו עמך חזק ועשה׃
Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
ויקם עזרא וישבע את שרי הכהנים הלוים וכל ישראל לעשות כדבר הזה וישבעו׃
Dia nitsangana niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana.
ויקם עזרא מלפני בית האלהים וילך אל לשכת יהוחנן בן אלישיב וילך שם לחם לא אכל ומים לא שתה כי מתאבל על מעל הגולה׃
Dia nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
ויעבירו קול ביהודה וירושלם לכל בני הגולה להקבץ ירושלם׃
ary na iza na iza no tsy tonga amin'ny hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana izy.
וכל אשר לא יבוא לשלשת הימים כעצת השרים והזקנים יחרם כל רכושו והוא יבדל מקהל הגולה׃
Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
ויקבצו כל אנשי יהודה ובנימן ירושלם לשלשת הימים הוא חדש התשיעי בעשרים בחדש וישבו כל העם ברחוב בית האלהים מרעידים על הדבר ומהגשמים׃
Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan'ny Isiraely.
ויקם עזרא הכהן ויאמר אלהם אתם מעלתם ותשיבו נשים נכריות להוסיף על אשמת ישראל׃
Koa mitsora amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin'ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
ועתה תנו תודה ליהוה אלהי אבתיכם ועשו רצונו והבדלו מעמי הארץ ומן הנשים הנכריות׃
Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
ויענו כל הקהל ויאמרו קול גדול כן כדבריך עלינו לעשות׃
nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany;
אבל העם רב והעת גשמים ואין כח לעמוד בחוץ והמלאכה לא ליום אחד ולא לשנים כי הרבינו לפשע בדבר הזה׃
koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin'ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin'izay fotoan'andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany sy ny hialan'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.
יעמדו נא שרינו לכל הקהל וכל אשר בערינו ההשיב נשים נכריות יבא לעתים מזמנים ועמהם זקני עיר ועיר ושפטיה עד להשיב חרון אף אלהינו ממנו עד לדבר הזה׃
Jonatana, zanak'i Asahela, sy Jahaza, zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
אך יונתן בן עשהאל ויחזיה בן תקוה עמדו על זאת ומשלם ושבתי הלוי עזרם׃
Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.
ויעשו כן בני הגולה ויבדלו עזרא הכהן אנשים ראשי האבות לבית אבתם וכלם בשמות וישבו ביום אחד לחדש העשירי לדריוש הדבר׃
Ary nony tonga ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin'ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
ויכלו בכל אנשים ההשיבו נשים נכריות עד יום אחד לחדש הראשון׃
Ary ny hita teo amin'ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin'ny taranak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
וימצא מבני הכהנים אשר השיבו נשים נכריות מבני ישוע בן יוצדק ואחיו מעשיה ואליעזר ויריב וגדליה׃
dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
ויתנו ידם להוציא נשיהם ואשמים איל צאן על אשמתם׃
Ary ny avy tamin'ny taranak'Imera dia Hanany sy Zebedia;
ומבני אמר חנני וזבדיה׃
ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
ומבני חרם מעשיה ואליה ושמעיה ויחיאל ועזיה׃
ary ny avy tamin'ny taranak'i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
ומבני פשחור אליועיני מעשיה ישמעאל נתנאל יוזבד ואלעשה׃
Ary ny avy tamin'ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
ומן הלוים יוזבד ושמעי וקליה הוא קליטא פתחיה יהודה ואליעזר׃
ary ny avy tamin'ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin'ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
ומן המשררים אלישיב ומן השערים שלם וטלם ואורי׃
Ary ny avy tamin'ny Isiraely koa: ny avy tamin'ny taranak'i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
ומישראל מבני פרעש רמיה ויזיה ומלכיה ומימן ואלעזר ומלכיה ובניה׃
ary ny avy tamin'ny taranak'i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
ומבני עילם מתניה זכריה ויחיאל ועבדי וירמות ואליה׃
ary ny avy tamin'ny taranak'i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
ומבני זתוא אליועני אלישיב מתניה וירמות וזבד ועזיזא׃
ary ny avy tamin'ny taranak'i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
ומבני בבי יהוחנן חנניה זבי עתלי׃
ary ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
ומבני בני משלם מלוך ועדיה ישוב ושאל ירמות׃
ary ny avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
ומבני פחת מואב עדנא וכלל בניה מעשיה מתניה בצלאל ובנוי ומנשה׃
ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
ובני חרם אליעזר ישיה מלכיה שמעיה שמעון׃
sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
בנימן מלוך שמריה׃
ny avy tamin'ny taranak'i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
מבני חשם מתני מתתה זבד אליפלט ירמי מנשה שמעי׃
ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
מבני בני מעדי עמרם ואואל׃
sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
בניה בדיה כלוהי׃
sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
וניה מרמות אלישיב׃
sy Matania sy Matenay sy Jasao
מתניה מתני ויעשו׃
sy Bany sy Binoy sy Simey
ובני ובנוי שמעי׃
sy Selemia sy Natana sy Adaia
ושלמיה ונתן ועדיה׃
sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
מכנדבי ששי שרי׃
sy Azarela sy Selemia sy Semaria
עזראל ושלמיהו שמריה׃
sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
שלום אמריה יוסף׃
ny avy tamin'ny taranak'i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
מבני נבו יעיאל מתתיה זבד זבינא ידו ויואל בניה׃
Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin'ireny
כל אלה נשאי נשים נכריות ויש מהם נשים וישימו בנים׃