Psalms 71

Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
耶和华啊,我投靠你;求你叫我永不羞愧!
Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
求你凭你的公义搭救我,救拔我;侧耳听我,拯救我!
Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
求你作我常住的磐石;你已经命定要救我,因为你是我的巖石,我的山寨。
Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe.
我的 神啊,求你救我脱离恶人的手,脱离不义和残暴之人的手。
Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
主─耶和华啊,你是我所盼望的;从我年幼,你是我所倚靠的。
Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.
我从出母胎被你扶持;使我出母腹的是你。我必常常讚美你!
Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
许多人以我为怪,但你是我坚固的避难所。
Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
你的讚美,你的荣耀终日必满了我的口。
Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
我年老的时候,求你不要丢弃我!我力气衰弱的时候,求你不要离弃我!
Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
我的仇敌议论我;那些窥探要害我命的彼此商议,
Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
说: 神已经离弃他;我们追赶他,捉拿他吧!因为没有人搭救。
Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
 神啊,求你不要远离我!我的 神啊,求你速速帮助我!
Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
愿那与我性命为敌的,羞愧被灭;愿那谋害我的,受辱蒙羞。
Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
我却要常常盼望,并要越发讚美你。
Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
我的口终日要述说你的公义和你的救恩,因我不计其数。
Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
我要来说主─耶和华大能的事;我单要提说你的公义。
Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
 神啊,自我年幼时,你就教训我;直到如今,我传扬你奇妙的作为。
Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy.
 神啊,我到年老发白的时候,求你不要离弃我!等我将你的能力指示下代,将你的大能指示后世的人。
Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
 神啊,你的公义甚高;行过大事的 神啊,谁能像你!
Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.
你是叫我们多经历重大急难的,必使我们复活,从地的深处救上来。
Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
求你使我越发昌大,又转来安慰我。
Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô.
我的 神啊,我要鼓瑟称讚你,称讚你的诚实!以色列的圣者啊,我要弹琴歌颂你!
Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;
我歌颂你的时候,我的嘴唇和你所赎我的灵魂都必欢呼;
Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
并且我的舌头必终日讲论你的公义,因为那些谋害我的人已经蒙羞受辱了。