Psalms 72

Nataon'i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an'ny mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
(所罗门的诗。) 神啊,求你将判断的权柄赐给王,将公义赐给王的儿子。
Hitsara ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.
他要按公义审判你的民,按公平审判你的困苦人。
Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
大山小山都要因公义使民得享平安。
Hitsara2 ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
他必为民中的困苦人伸冤,拯救穷乏之辈,压碎那欺压人的。
Hatahotra2 anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
太阳还存,月亮还在,人要敬畏你,直到万代!
Hidina2 tahaka ny ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny tany.
他必降临,像雨降在已割的草地上,如甘霖滋润田地。
Ny2 marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
在他的日子,义人要发旺,大有平安,好像月亮长存。
Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.
他要执掌权柄,从这海直到那海,从大河直到地极。
Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
住在旷野的,必在他面前下拜;他的仇敌必要舔土。
Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
他施和海岛的王要进贡;示巴和西巴的王要献礼物。
Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
诸王都要叩拜他;万国都要事奉他。
Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
因为,穷乏人呼求的时候,他要搭救;没有人帮助的困苦人,他也要搭救。
Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.
他要怜恤贫寒和穷乏的人,拯救穷苦人的性命。
Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
他要救赎他们脱离欺压和强暴;他们的血在他眼中看为宝贵。
Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.
他们要存活。示巴的金子要奉给他;人要常常为他祷告,终日称颂他。
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.
在地的山顶上,五谷必然茂盛(或译:有一把五谷);所结的谷实要响动,如黎巴嫩的树林;城里的人要发旺,如地上的草。
Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
他的名要存到永远,要留传如日之久。人要因他蒙福;万国要称他有福。
Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
独行奇事的耶和华─以色列的 神是应当称颂的!
Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
他荣耀的名也当称颂,直到永远。愿他的荣耀充满全地!阿们!阿们!
Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
耶西的儿子─大卫的祈祷完毕。