Psalms 41

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana.
(大卫的诗,交与伶长。)眷顾贫穷的有福了!他遭难的日子,耶和华必搭救他。
Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony.
耶和华必保全他,使他存活;他必在地上享福。求你不要把他交给仇敌,遂其所愿。
Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
他病重在榻,耶和华必扶持他;他在病中,你必给他铺床。
Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
我曾说:耶和华啊,求你怜恤我,医治我!因为我得罪了你。
Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
我的仇敌用恶言议论我说:他几时死,他的名才灭亡呢?
Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
他来看我就说假话;他心存奸恶,走到外边才说出来。
Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
一切恨我的,都交头接耳地议论我;他们设计要害我。
Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
他们说:有怪病贴在他身上;他已躺卧,必不能再起来。
Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
连我知己的朋友,我所倚靠、吃过我饭的也用脚踢我。
Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
耶和华啊,求你怜恤我,使我起来,好报复他们!
Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy.
因我的仇敌不得向我夸胜,我从此便知道你喜爱我。
Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.
你因我纯正就扶持我,使我永远站在你的面前。
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.
耶和华─以色列的 神是应当称颂的,从亘古直到永远。阿们!阿们!