Genesis 37

Ary Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany Kanana.
雅各住在迦南地,就是他父亲寄居的地。
Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
雅各的记略如下。约瑟十七岁与他哥哥们一同牧羊。他是个童子,与他父亲的妾辟拉、悉帕的儿子们常在一处。约瑟将他哥哥们的恶行报给他们的父亲。
Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
以色列原来爱约瑟过于爱他的众子,因为约瑟是他年老生的;他给约瑟做了一件彩衣。
Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
约瑟的哥哥们见父亲爱约瑟过于爱他们,就恨约瑟,不与他说和睦的话。
Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
约瑟做了一梦,告诉他哥哥们,他们就越发恨他。
Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
约瑟对他们说:「请听我所做的梦:
Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako.
我们在田里捆禾稼,我的捆起来站著,你们的捆来围著我的捆下拜。」
Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
他的哥哥们回答说:「难道你真要作我们的王吗?难道你真要管辖我们吗?」他们就因为他的梦和他的话越发恨他。
Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.
后来他又做了一梦,也告诉他的哥哥们说:「看哪,我又做了一梦,梦见太阳、月亮,与十一个星向我下拜。」
Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao?
约瑟将这梦告诉他父亲和他哥哥们,他父亲就责备他说:「你做的这是什么梦!难道我和你母亲、你弟兄果然要来俯伏在地,向你下拜么?」
Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
他哥哥们都嫉妒他,他父亲却把这话存在心里。
Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema.
约瑟的哥哥们往示剑去放他们父亲的羊。
Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.
以色列对约瑟说:「你哥哥们不是在示剑放羊吗?你来,我要打发你往他们那里去。」约瑟说:「我在这里。」
Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
以色列说:「你去看看你哥哥们平安不平安,群羊平安不平安,就回来报信给我」;于是打发他出希伯崙谷,他就往示剑去了。
Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
有人遇见他在田野走迷了路,就问他说:「你找什么?」
Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
他说:「我找我的哥哥们,求你告诉我,他们在何处放羊。」
Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
那人说:「他们已经走了,我听见他们说要往多坍去。」约瑟就去追赶他哥哥们,遇见他们在多坍。
Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
他们远远地看见他,趁他还没有走到跟前,大家就同谋要害死他,
Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
彼此说:「你看!那做梦的来了。
Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny.
来吧!我们将他杀了,丢在一个坑里,就说有恶兽把他吃了。我们且看他的梦将来怎么样。」
Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
流便听见了,要救他脱离他们的手,说:「我们不可害他的性命;」
Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
又说:「不可流他的血,可以把他丢在这野地的坑里,不可下手害他」。流便的意思是要救他脱离他们的手,把他归还他的父亲。
Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
约瑟到了他哥哥们那里,他们就剥了他的外衣,就是他穿的那件彩衣,
dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy rano tao.
把他丢在坑里;那坑是空的,里头没有水。
Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
他们坐下吃饭,举目观看,见有一伙米甸的以实玛利人从基列来,用骆驼驮著香料、乳香、没药,要带下埃及去。
Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
犹大对众弟兄说:「我们杀我们的兄弟,藏了他的血有什么益处呢?
Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
我们不如将他卖给以实玛利人,不可下手害他;因为他是我们的兄弟,我们的骨肉。」众弟兄就听从了他。
Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.
有些米甸的商人从那里经过,哥哥们就把约瑟从坑里拉上来,讲定二十舍客勒银子,把约瑟卖给以实玛利人。他们就把约瑟带到埃及去了。
Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
流便回到坑边,见约瑟不在坑里,就撕裂衣服,
Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
回到兄弟们那里,说:「童子没有了。我往那里去才好呢?」
Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony tamin'ny rà ny akanjo.
他们宰了一只公山羊,把约瑟的那件彩衣染了血,
Dia nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia?
打发人送到他们的父亲那里,说:「我们捡了这个;请认一认是你儿子的外衣不是?」
Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
他认得,就说:「这是我儿子的外衣。有恶兽把他吃了,约瑟被撕碎了!撕碎了!」
Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
雅各便撕裂衣服,腰间围上麻布,为他儿子悲哀了多日。
Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
他的儿女都起来安慰他,他却不肯受安慰,说:「我必悲哀著下阴间,到我儿子那里。」约瑟的父亲就为他哀哭。
Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
米甸人带约瑟到埃及,把他卖给法老的内臣─护卫长波提乏。