Psalms 80

(亚萨的诗,交与伶长。调用为证的百合花。)领约瑟如领羊群之以色列的牧者啊,求你留心听!坐在二基路伯上的啊,求你发出光来!
Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.
在以法莲、便雅悯、玛拿西前面施展你的大能,来救我们。
Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
 神啊,求你使我们回转(或译:复兴),使你的脸发光,我们便要得救!
Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
耶和华─万军之 神啊,你向你百姓的祷告发怒,要到几时呢?
Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?
你以眼泪当食物给他们吃,又多量出眼泪给他们喝。
Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
你使邻邦因我们纷争;我们的仇敌彼此戏笑。
Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
万军之 神啊,求你使我们回转,使你的脸发光,我们便要得救!
Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
你从埃及挪出一棵葡萄树,赶出外邦人,把这树栽上。
Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
你在这树根前预备了地方,它就深深扎根,爬满了地。
Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
它的影子遮满了山,枝子好像佳美的香柏树。
Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.
它发出枝子,长到大海,发出蔓子,延到大河。
Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony.
你为何拆毁这树的篱笆,任凭一切过路的人摘取?
Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
林中出来的野猪把它糟踏;野地的走兽拿它当食物。
Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
万军之 神啊,求你回转!从天上垂看,眷顾这葡萄树,
Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
保护你右手所栽的和你为自己所坚固的枝子。
Arovy izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
这树已经被火焚烧,被刀砍伐;他们因你脸上的怒容就灭亡了。
Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
愿你的手扶持你右边的人,就是你为自己所坚固的人子。
Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
这样,我们便不退后离开你;求你救活我们,我们就要求告你的名。
Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
耶和华─万军之 神啊,求你使我们回转,使你的脸发光,我们便要得救!
Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.