Psalms 17

(大卫的祈祷。)耶和华啊,求你听闻公义,侧耳听我的呼籲!求你留心听我这不出于诡诈嘴唇的祈祷!
Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
愿我的判语从你面前发出;愿你的眼睛观看公正。
Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
你已经试验我的心;你在夜间鉴察我;你熬炼我,却找不著什么;我立志叫我口中没有过失。
Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
论到人的行为,我借著你嘴唇的言语自己谨守,不行强暴人的道路。
Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.
我的脚踏定了你的路径;我的两脚未曾滑跌。
Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
 神啊,我曾求告你,因为你必应允我;求你向我侧耳,听我的言语。
Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
求你显出你奇妙的慈爱来;你是那用右手拯救投靠你的脱离起来攻击他们的人。
Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
求你保护我,如同保护眼中的瞳人;将我隐藏在你翅膀的荫下,
Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
使我脱离那欺压我的恶人,就是围困我要害我命的仇敌。
Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
他们的心被脂油包裹;他们用口说骄傲的话。
Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
他们围困了我们的脚步;他们瞪著眼,要把我们推倒在地。
Manodidina anay amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;
他像狮子急要抓食,又像少壮狮子蹲伏在暗处。
Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
耶和华啊,求你起来,前去迎敌,将他打倒!用你的刀救护我命脱离恶人。
Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;
耶和华啊,求你用手救我脱离世人,脱离那只在今生有福分的世人!你把你的财宝充满他们的肚腹;他们因有儿女就心满意足,将其余的财物留给他们的婴孩。
Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.
至于我,我必在义中见你的面;我醒了的时候,得见(或译:著)你的形像就心满意足了。
Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.