Psalms 18

(耶和华的仆人大卫的诗,交与伶长。当耶和华救他脱离一切仇敌和扫罗之手的日子,他向耶和华念这诗的话。说:)耶和华,我的力量啊,我爱你!
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
耶和华是我的巖石,我的山寨,我的救主,我的 神,我的磐石,我所投靠的。他是我的盾牌,是拯救我的角,是我的高台。
Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
我要求告当讚美的耶和华;这样我必从仇敌手中被救出来。
Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
曾有死亡的绳索缠绕我,匪类的急流使我惊惧,
Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
阴间的绳索缠绕我,死亡的网罗临到我。
Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
我在急难中求告耶和华,向我的 神呼求。他从殿中听了我的声音;我在他面前的呼求入了他的耳中。
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
那时,因他发怒,地就摇撼战抖;山的根基也震动摇撼。
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
从他鼻孔冒烟上腾;从他口中发火焚烧,连炭也著了。
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
他又使天下垂,亲自降临,有黑云在他脚下。
Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
他坐著基路伯飞行;他借著风的翅膀快飞。
Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.
他以黑暗为藏身之处,以水的黑暗、天空的厚云为他四围的行宫。
Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.
因他面前的光辉,他的厚云行过便有冰雹火炭。
Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
耶和华也在天上打雷;至高者发出声音便有冰雹火炭。
Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
他射出箭来,使仇敌四散;多多发出闪电,使他们扰乱。
Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
耶和华啊,你的斥责一发,你鼻孔的气一出,海底就出现,大地的根基也显露。
Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.
他从高天伸手抓住我,把我从大水中拉上来。
Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;
他救我脱离我的劲敌和那些恨我的人,因为他们比我强盛。
Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
我遭遇灾难的日子,他们来攻击我;但耶和华是我的倚靠。
Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
他又领我到宽阔之处;他救拔我,因他喜悦我。
Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
耶和华按著我的公义报答我,按著我手中的清洁赏赐我。
Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
因为我遵守了耶和华的道,未曾作恶离开我的 神。
Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
他的一切典章常在我面前;他的律例我也未曾丢弃。
Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
我在他面前作了完全人;我也保守自己远离我的罪孽。
Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
所以,耶和华按我的公义,按我在他眼前手中的清洁偿还我。
Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.
慈爱的人,你以慈爱待他;完全的人,你以完全待他。
Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
清洁的人,你以清洁待他;乖僻的人,你以弯曲待他。
Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
困苦的百姓,你必拯救;高傲的眼目,你必使他降卑。
Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
你必点著我的灯;耶和华─我的 神必照明我的黑暗。
Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
我借著你冲入敌军,借著我的 神跳过墙垣。
Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
至于 神,他的道是完全的;耶和华的话是炼净的。凡投靠他的,他便作他们的盾牌。
Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
除了耶和华,谁是 神呢?除了我们的 神,谁是磐石呢?
Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
惟有那以力量束我的腰、使我行为完全的,他是 神。
Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
他使我的脚快如母鹿的蹄,又使我在高处安稳。
Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.
他教导我的手能以争战,甚至我的膀臂能开铜弓。
Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
你把你的救恩给我作盾牌;你的右手扶持我;你的温和使我为大。
Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
你使我脚下的地步宽阔;我的脚未曾滑跌。
Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
我要追赶我的仇敌,并要追上他们;不将他们灭绝,我总不归回。
Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
我要打伤他们,使他们不能起来;他们必倒在我的脚下。
Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
因为你曾以力量束我的腰,使我能争战;你也使那起来攻击我的都服在我以下。
Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
你又使我的仇敌在我面前转背逃跑,叫我能以剪除那恨我的人。
Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
他们呼求,却无人拯救;就是呼求耶和华,他也不应允。
Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
我捣碎他们,如同风前的灰尘,倒出他们,如同街上的泥土。
Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
你救我脱离百姓的争竞,立我作列国的元首;我素不认识的民必事奉我。
Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
他们一听见我的名声就必顺从我;外邦人要投降我。
Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy.
外邦人要衰残,战战兢兢地出他们的营寨。
Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
耶和华是活 神。愿我的磐石被人称颂;愿救我的 神被人尊崇。
Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
这位 神,就是那为我伸冤、使众民服在我以下的。
Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
你救我脱离仇敌,又把我举起,高过那些起来攻击我的;你救我脱离强暴的人。
Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.
耶和华啊,因此我要在外邦中称谢你,歌颂你的名。
Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
耶和华赐极大的救恩给他所立的王,施慈爱给他的受膏者,就是给大卫和他的后裔,直到永远。
Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.