Numbers 35

耶和华在摩押平原─约旦河边、耶利哥对面晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
「你吩咐以色列人,要从所得为业的地中把些城给利未人居住,也要把这城四围的郊野给利未人。
Mandidia ny Zanak'Isiraely mba hanome tanàna ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
这城邑要归他们居住,城邑的郊野可以牧养他们的牛羊和各样的牲畜,又可以安置他们的财物。
Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra.
你们给利未人的郊野,要从城根起,四围往外量一千肘。
Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
另外东量二千肘,南量二千肘,西量二千肘,北量二千肘,为边界,城在当中;这要归他们作城邑的郊野。
Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
你们给利未人的城邑,其中当有六座逃城,使误杀人的可以逃到那里。此外还要给他们四十二座城。
Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
你们要给利未人的城,共有四十八座,连城带郊野都要给他们。
Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany manodidina azy.
以色列人所得的地业从中要把些城邑给利未人;人多的就多给,人少的就少给;各支派要按所承受为业之地把城邑给利未人。」
Ary ny amin'ny tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「你吩咐以色列人说:你们过约旦河,进了迦南地,
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any amin'ny tany Kanana,
就要分出几座城,为你们作逃城,使误杀人的可以逃到那里。
dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.
这些城可以作逃避报仇人的城,使误杀人的不至于死,等他站在会众面前听审判。
Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
你们所分出来的城,要作六座逃城。
Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
在约旦河东要分出三座城,在迦南地也要分出三座城,都作逃城。
Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
这六座城要给以色列人和他们中间的外人,并寄居的,作为逃城,使误杀人的都可以逃到那里。
Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
「倘若人用铁器打人,以致打死,他就是故杀人的;故杀人的必被治死。
Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
若用可以打死人的石头打死了人,他就是故杀人的;故杀人的必被治死。
Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
若用可以打死人的木器打死了人,他就是故杀人的;故杀人的必被治死。
Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
报血仇的必亲自杀那故杀人的,一遇见就杀他。
Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
人若因怨恨把人推倒,或是埋伏往人身上扔物,以致于死,
Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka mahafaty,
或是因仇恨用手打人,以致于死,那打人的必被治死。他是故杀人的;报血仇的一遇见就杀他。
na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
「倘若人没有仇恨,忽然将人推倒,或是没有埋伏把物扔在人身上,
Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin'inona na amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,
或是没有看见的时候用可以打死人的石头扔在人身上,以致于死,本来与他无仇,也无意害他。
na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
会众就要照典章,在打死人的和报血仇的中间审判。
dia hotsarain'ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
会众要救这误杀人的脱离报血仇人的手,也要使他归入逃城。他要住在其中,直等到受圣膏的大祭司死了。
Ary hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.
但误杀人的,无论什么时候,若出了逃城的境外,
Fa raha mivoaka ho eo ivelan'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra ilay nahafaty olona
报血仇的在逃城境外遇见他,将他杀了,报血仇的就没有流血之罪。
ka hitan'ny mpamaly rà eo ivelan'ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin'izany,
因为误杀人的该住在逃城里,等到大祭司死了。大祭司死了以后,误杀人的才可以回到他所得为业之地。
satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
这在你们一切的住处,要作你们世世代代的律例典章。
Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby eny amin'izay rehetra onenanareo.
「无论谁故杀人,要凭几个见证人的口把那故杀人的杀了,只是不可凭一个见证的口叫人死。
Ny amin'izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
故杀人、犯死罪的,你们不可收赎价代替他的命;他必被治死。
Ary ianareo tsy handray avotry ny ain'ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
那逃到逃城的人,你们不可为他收赎价,使他在大祭司未死以先再来住在本地。
Ary ianareo tsy handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
这样,你们就不污秽所住之地,因为血是污秽地的;若有在地上流人血的,非流那杀人者的血,那地就不得洁净(洁净原文作赎)。
Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin'ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.
你们不可玷污所住之地,就是我住在其中之地,因为我─耶和华住在以色列人中间。」
Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.