Numbers 34

耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「你吩咐以色列人说:你们到了迦南地,就是归你们为业的迦南四境之地,
Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
南角要从寻的旷野,贴著以东的边界;南界要从盐海东头起,
Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
绕到亚克拉滨坡的南边,接连到寻,直通到加低斯‧巴尼亚的南边,又通到哈萨‧亚达,接连到押们,
dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
从押们转到埃及小河,直通到海为止。
ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina.
西边要以大海为界;这就是你们的西界。
Ary ny amin'ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
北界要从大海起,画到何珥山,
Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
从何珥山划到哈马口,通到西达达,
ary hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada,
又通到西斐崙,直到哈萨‧以难。这要作你们的北界。
dia hahazo an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
你们要从哈萨‧以难划到示番为东界。
Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
这界要从示番下到亚延东边的利比拉,又要达到基尼烈湖的东边。
dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin'ny Ranomasin'i Kinereta atsinanana,
这界要下到约旦河,通到盐海为止。这四围的边界以内,要作你们的地。」
dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
摩西吩咐以色列人说:「这地就是耶和华吩咐拈阄给九个半支派承受为业的;
Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
因为流便支派和迦得支派按著宗族受了产业,玛拿西半个支派也受了产业。
fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
这两个半支派已经在耶利哥对面、约旦河东、向日出之地受了产业。」
dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「要给你们分地为业之人的名字是祭司以利亚撒和嫩的儿子约书亚。
Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona.
又要从每支派中选一个首领帮助他们。
Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
这些人的名字:犹大支派有耶孚尼的儿子迦勒。
Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
西缅支派有亚米忽的儿子示母利。
ary ny avy amin'ny firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda;
便雅悯支派有基斯伦的儿子以利达。
ary ny avy amin'ny firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona;
但支派有一个首领,约利的儿子布基。
ary ny lohan'ny firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly;
约瑟的子孙玛拿西支派有一个首领,以弗的儿子汉聂。
ary ny avy amin'ny taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i Efoda;
以法莲支派有一个首领,拾弗但的儿子基母利。
ary ny lohan'ny firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana;
西布伦支派有一个首领,帕纳的儿子以利撒番。
ary ny lohan'ny firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka;
以萨迦支派有一个首领,阿散的儿子帕铁。
ary ny lohan'ny firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana;
亚设支派有一个首领,示罗米的儿子亚希忽。
ary ny lohan'ny firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy;
拿弗他利支派有一个首领,亚米忽的儿子比大黑。」
ary ny lohan'ny firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda.
这些人就是耶和华所吩咐、在迦南地把产业分给以色列人的。
Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.