Matthew 4

当时,耶稣被圣灵引到旷野,受魔鬼的试探。
Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy.
他禁食四十昼夜,后来就饿了。
Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
那试探人的进前来,对他说:「你若是 神的儿子,可以吩咐这些石头变成食物。」
Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
耶稣却回答说:「经上记著说:人活著,不是单靠食物,乃是靠 神口里所出的一切话。」
Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3).
魔鬼就带他进了圣城,叫他站在殿顶(顶:原文是翅)上,
Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,
对他说:「你若是 神的儿子,可以跳下去,因为经上记著说:主要为你吩咐他的使者用手托著你,免得你的脚碰在石头上。」
dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
耶稣对他说:「经上又记著说:『不可试探主─你的 神。』」
Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
魔鬼又带他上了一座最高的山,将世上的万国与万国的荣华都指给他看,
Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,
对他说:「你若俯伏拜我,我就把这一切都赐给你。」
dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
耶稣说:「撒但(撒但就是抵挡的意思,乃魔鬼的别名),退去吧!因为经上记著说:当拜主你的 神,单要事奉他。」
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13).
于是,魔鬼离了耶稣,有天使来伺候他。
Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
耶稣听见约翰下了监,就退到加利利去;
Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.
后又离开拿撒勒,往迦百农去,就住在那里。那地方靠海,在西布伦和拿弗他利的边界上。
Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,
这是要应验先知以赛亚的话,
mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
说:西布伦地,拿弗他利地,就是沿海的路,约旦河外,外邦人的加利利地。
Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa,
那坐在黑暗里的百姓看见了大光;坐在死荫之地的人有光发现照著他们。
Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).
从那时候,耶稣就传起道来,说:「天国近了,你们应当悔改!」
Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
耶稣在加利利海边行走,看见弟兄二人,就是那称呼彼得的西门和他兄弟安得烈,在海里撒网;他们本是打鱼的。
Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
耶稣对他们说:「来跟从我,我要叫你们得人如得鱼一样。」
Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
他们就立刻舍了网,跟从了他。
Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
从那里往前走,又看见弟兄二人,就是西庇太的儿子雅各和他兄弟约翰,同他们的父亲西庇太在船上补网,耶稣就招呼他们,
Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
他们立刻舍了船,别了父亲,跟从了耶稣。
Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
耶稣走遍加利利,在各会堂里教训人,传天国的福音,医治百姓各样的病症。
Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.
他的名声就传遍了叙利亚。那里的人把一切害病的,就是害各样疾病、各样疼痛的和被鬼附的、癫痫的、瘫痪的,都带了来,耶稣就治好了他们。
Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.
当下,有许多人从加利利、低加坡里、耶路撒冷、犹太、约旦河外来跟著他。
Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.