Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan'ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby.
Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,
Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?
Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha.
Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.