Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.