Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.
Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.
Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.
Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.
Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra
Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.