Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.