Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).