I Chronicles 26

Na, ko nga wehenga o nga kaitiaki kuwaha; no nga Korohi ko Meheremia tama a Kore, no nga tama a Ahapa.
Ary ny amin'ny antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koraita dia Meselemia, zanak'i Kore, avy tamin'ny zanak'i Asafa.
Na, ko nga tama a Meheremia, ko Hakaraia te matamua, ko Teriaere te tuarua, ko Teparia te tuatoru, ko Iataniere te tuawha,
Ary ny zanakalahin'i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,
Ko Erama te tuarima, ko Iehohanana te tuaono, ko Erioenai te tuawhitu.
sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
A ko nga tama a Opereeroma; ko Hemaia te matamua, ko Iehotapara te tuarua, ko Ioaha te tuatoru, ko Hakara te tuawha, ko Netaneere te tuarima,
Ary ny zanakalahin'i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
Ko Amiere te tuaono, ko Ihakara te tuawhitu, ko Peurutai te tuawaru; he mea manaaki hoki ia na Ihowa.
sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
A i whanau ano he tama ma tana tama ma Hemaia, he rangatira ratou mo te whare o to ratou papa: he marohirohi hoki ratou, he toa.
Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin'ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.
Ko nga tama a Hemaia; ko Otoni, ko Repaere, ko Opere, ko Eretapara; he marohirohi ano o ratou teina a Erihu raua ko Hemakia.
Ny zanakalahin'i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin'ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.
Ko enei katoa o nga tama a Opereeroma, me a ratou tama, me o ratou teina he kaha ki te mahi, e ono tekau ma rua; na Opereeroma.
Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma.
Na he tama a Meheremia, he teina ano, he marohirohi, tekau ma waru.
Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin'ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.
He tama ano a Hoha o nga tama a Merari; ko Himiri te upoko; ahakoa ehara ia i te matamua, i meinga ia hei upoko e tona papa;
Ary Hosa, tamin'ny taranak'i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),
Ko Hirikia te tuarua, ko Teparia te tuatoru, ko Hakaraia te tuawha; ko nga tama katoa, me nga teina o Hoha, tekau ma toru.
sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin'i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin'ny folo.
I roto i enei nga wehenga o nga kaitiaki kuwaha, ara i roto i nga tino tangata, he mahi tiaki pera i ta o ratou tuakana, he minita i roto i te whare o Ihowa.
Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.
I maka rota ano ratou, te iti, te rahi, nga whare o o ratou matua, mo tenei kuwaha, mo tenei kuwaha.
Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin'ny isam-bavahady.
Na i taka te rota whaka te rawhiti ki a Heremia. Katahi ka maka te rota a tana tama a Hakaraia, he mohio ia ki te whakatakoto whakaaro, a ko te rota mo te raki i puta ake mana.
Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony.
Ki a Opereeroma ko te rota mo te tonga; a ki ana tama ko te whare taonga.
An'i Obed-edoma ny atsimo, ary an'ny zanany ny trano firaketana.
Ki a Tupimi raua ko Hoha ko to te hauauru, me te kuwaha Harekete, i te huarahi e piki atu ai, tenei tiakanga i te ritenga mai o tenei tiakanga.
An'i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin'ny vavahady Saleketa amin'ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.
Tokoono nga Riwaiti mo to te rawhiti, tokowha mo to te raki i tenei ra, i tenei ra, tokowha mo to te tonga i tenei ra, i tenei ra, a ki te whare taonga tokorua, tokorua.
Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
I Parapara whaka te hauauru, tokowha ki te huarahi, tokorua ki Parapara.
Tany Parbara andrefana nisy efatra amin'ny lalana, ary roa tao Parbara.
Ko nga wehenga enei o nga kaitiaki kuwaha i roto i nga tama a Kore, i nga tama ano a Merari.
Dia Ireo no antokon'ny mpiandry varavarana tamin'ny taranak'i Kora sy ny taranak'i Merary.
Na o nga Riwaiti, ko Ahia ki nga taonga o te whare o Ihowa, ki nga taonga hoki kua oti te whakatapu.
Ary tamin'ny Levita dia Ahia no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.
Ko nga tama a Raarana; ko nga tama a nga Kerehoni na Raarana, ko nga upoko o nga whare o nga matua na Raarana Kerehoni; ko Tehieri.
Ny taranak'i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan'ny fianakavian'i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.
Ko nga tama a Tehieri; ko Tetama, ko tona teina ko Hoera, i a ratou nga taonga o te whare o Ihowa.
Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
No nga Amarami enei, ratou ko nga Itihari, ko nga Heperoni, ko nga Utieri.
Tamin'ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
Na ko Hepuere tama a Kerehoma tama a Mohi te rangatira mo nga taonga.
dia Seboela, avy tamin'ny taranak'i Gersona, zanak'i Mosesy, no tonian'ny rakitra.
Me ona teina: na Erietere, tana tama a Rehapia, tana tama a Ihaia, tana tama a Iorama, tana tama a Tikiri, tana tama a Heromoto.
Ary ny rahalahiny avy tamin'i Eliezera dia Rehabia, zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy Jorama, zanak'i Jesaia, sy Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry.
Ko tenei Heromoto ratou ko ona teina nga rangatira mo nga taonga katoa, mo nga mea i whakatapua, i whakatapua nei e Kingi Rawiri ratou ko nga upoko o nga whare o nga matua, ko nga rangatira o nga mano, o nga rau, ko nga rangatira ope.
Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian'ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i Davida mpanjaka sy ny lohan'ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin'ny miaramila.
Ko etahi o nga taonga parakete i riro parau mai, he mea whakatapu na ratou kia mau tonu ai te ora o te whare o Ihowa.
Tamin'ny babo izay azony tamin'ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah.
Na, ko nga mea katoa i whakatapua e Hamuera matakite, e Haora tama a Kihi, e Apanere tama a Nere, e Ioapa tama a Teruia, e te hunga katoa ano i whakatapua ai tetahi mea, i raro era i te ringa o Heromoto ratou ko ona teina.
Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.
O nga Itihari, ko Kenania ratou ko ana tama mo nga mahinga o waho ki a Iharaira, hei rangatira, hei kaiwhakawa.
Tamin'ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin'ny raharaha ivelany amin'ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.
O nga Heperoni, ko Hahapia ratou ko ona teina, he marohirohi, kotahi mano e whitu rau, hei rangatira i roto i te hunga o Iharaira i tenei taha o Horano whaka te hauauru, i nga minitatanga katoa ki a Ihowa, i nga mahi ano a te kingi.
Ary tamin'ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin'ny Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana ny amin'ny raharaha rehetra ho an'i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
I roto i nga Heperoni ko Teriia te upoko, ara i roto i nga Heperoni, i runga ano i nga whakatupuranga o nga whare o nga matua. I te wha tekau o nga tau o te kingitanga o Rawiri i rapua ratou, a kua kitea etahi marohirohi i roto i a ratou, he toa, ki Iatere o Kireara.
Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)
Me ona teina, he toa, e rua mano e whitu rau, he upoko no nga whare o nga matua, meinga ana ratou e Kingi Rawiri hei rangatira mo nga Reupeni, mo nga Kari, mo tetahi tanga o te iwi o Manahi, mo nga mea katoa a te Atua, mo nga mea ano a te kingi.
sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.