Exodus 29

Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
A ko tenei tau e mea ai ki a ratou. ina whakatapu i a ratou hei tohunga maku: Tikina he puru, hei te kuao, me nga hipi toa e rua, hei te mea kohakore,
ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
He taro rewenakore, he keke rewenakore, i konatunatua ki te hinu, he mea angiangi ano hoki, he rewenakore, i pania ki te hinu: he mea hanga e koe ki te paraoa witi.
Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
Na, ka maka ki te kete kotahi, a ka kawea i roto i te kete, me te puru me nga hipi toa e rua.
Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy
Na ka kawe i a Arona ratou ko ana tama, ki te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga, ka horoi i a ratou ki te wai.
Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an'i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
Na ka mau koe ki nga kakahu, a ka whakakakahu i a Arona ki te koti, ki te koroka o te epora, ki te epora, ki te kouma, ka whitiki hoki i a ia ki te whitiki whakairo o te epora:
ary ny hamama dia ataovy eo amin'ny lohany, ary ny diadema masina dia ataovy eo amin'ny hamama.
A ka potae i tona matenga ki te potae tohunga, ka whakanoho ano i te karauna tapu ki runga ki te potae.
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lohany, dia manosora azy.
Na ka mau ki te hinu whakawahi, ka riringi ki runga ki tona matenga, ka whakawahi i a ia.
Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
A ka kawe koe i ana tama, ka whakakakahu hoki i a ratou ki nga koti.
Ary fehezo amin'ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an'i Arona sy ny zanany.
Me whitiki ano ratou e koe, a Arona ratou ko ana tama, ka potae ano hoki i nga potae ki a ratou: a ma ratou te mahi tohunga; kia pumau tonu ano hoki tenei tikanga: na ka whakatohunga koe i a Arona ratou ko ana tama.
Ary asaovy entina ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana ny vantotr'ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy;
Na ka mea kia kawea tetahi puru ki mua o te tapenakara o te whakaminenga: a ka popoki iho nga ringa o Arona ratou ko ana tama ki runga ki te pane o te puru.
dia vonoy eo anatrehan'i Jehovah ny vantotr'ombilahy, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
Na ka patu koe i te puru ki te aroaro o Ihowa, ki te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga.
ary analao ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara;
Na me tango tetahi wahi o te toto o te puru, me pani e tou ringa ki nga haona o te aata, ka riringi katoa ai i nga toto ki te turanga o te aata.
ary alao ny safo-drorohany re­hetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara;
Na ka tango koe i te ngako katoa e whiwhiwhiwhi ana ki nga whekau, me te pa i runga ake i te ate, me nga whatukuhu e rua, me te pai i aua mea, ka tahu ai ki runga ki te aata.
fa ny henan'ny vantotr'ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin'ny afo eny ivelan'ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
Ko te kikokiko ia o te puru, me tona hiako, me ona paru, me tahu e koe ki te ahi ki waho o te puni: he whakahere hara hoki tena.
Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
Na ka mau koe ki tetahi o nga hipi toa; a ka popoki iho nga ringaringa o Arona ratou ko ana tama ki runga ki te matenga o te hipi.
dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara;
Na ka patu koe i te hipi, a ka tango i ona toto, ka tauhi ai ki te aata a tawhio noa.
ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny voarasa sy ny lohany;
Na ka tapatapahi koe i te hipi, a ka horoi i ona whekau, me ona waewae, ka maka ai ki runga ki nga wahi ona i tapahia, ki runga hoki i tona matenga.
ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Katahi koe ka tahu i te hipi katoa ki runga ki te aata: he tahunga tinana tena ki a Ihowa, he kakara reka, he whakahere ahi ki a Ihowa.
Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
Na ka mau koe ki te rua o nga hipi, a ka popoki iho nga ringaringa o Arona ratou ko ana tama ki runga ki te matenga o te hipi.
dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara
Na ka patu koe i te hipi, a ka tango i tetahi wahi o ona toto, ka pani atu ki te matamata o te taringa matau a Arona, ki te matamata ano hoki o nga taringa matau o ana tama, ki te koromatua ano hoki o o ratou ringa matau, ki te koromatua ano hok i o o ratou waewae matau, me tauhiuhi atu ano hoki te toto ki te aata a tawhio noa.
Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.
Me tango ano e koe tetahi wahi o nga toto i runga i te aata, o te hinu whakawahi ano hoki, a ka tauhiuhi atu ki a Arona, ki ona kakahu, ki a ratou tahi ano ko ana tama, ki nga kakahu hoki o ana tama: na ka tapu ia, me ona kakahu, me ana tama, me nga kakahu ano hoki o ana tama.
Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
Me tango ano hoki e koe te ngako o te hipi toa, me te hiawero, me te ngako e whiwhiwhiwhi ana ki nga whekau, me te pa i te ate, i nga whatukuhu e rua; me te ngako i aua mea, me te peke matau; he hipi whakatohungatanga hoki:
ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan'i Jehovah;
Me te rohi taro kotahi, me tetahi keke taro hinu, me tetahi keke angiangi i roto i te kete taro rewenakore i te aroaro o Ihowa:
ary ataovy eo an-tànan'i Arona sy eo an-tànan'ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
Na ka hoatu katoa e koe ki nga ringa o Arona, ki nga ringa ano o ana tama; a me poipoi hei whakahere poipoi ki te aroaro o Ihowa.
Dia raiso amin'ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo, ho an'i Jehovah.
Na ka tango koe i aua mea i o ratou ringa, ka tahu ai ki runga ki to aata, hei tahunga tinana, hei kakara reka ki te aroaro o Ihowa, hei whakahere ahi ki a Ihowa.
Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
Na ka tango koe i te uma o te hipi toa o te whakatohungatanga o Arona, a ka poipoi hei whakahere poipoi i te aroaro o Ihowa: ko te wahi hoki tena mau.
Ary hamasino ny tratran'ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i Arona sy izay ho an'ny zanany.
Me whakatapu ano e koe te uma o te whakahere poipoi, me te peke o te whakahere hapahapai, era e poipoia ana, e hapahapainga ana, o te hipi o te whakatohungatanga, o ta Arona, o ta ana tama:
Ary ho anjara mandrakizay ho an'i Arona sy ho an'ny taranany avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah.
A ka waiho ma Arona ratou ko ana tama, e nga tama a Iharaira; kia pumau tonu tenei tikanga: he whakahere hapahapai hoki: a ka waiho e nga tama a Iharaira hei whakahere hapahapai, he mea no a ratou patunga mo te pai, ara he whakahere hapahapai na ratou ki a Ihowa.
Ary ny fitafiana masina izay an'i Arona dia ho an'ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
A ka riro nga kakahu tapu o Arona i ana tama i muri i a ia, hei kakahu e whakawahia ai, e whakatohungatia ai ratou.
Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina.
A e whitu nga ra e kakahuria ai aua mea e te tama e meinga hei tohunga i muri i a ia, ina haere ia ki roto ki te tapenakara o te whakaminenga ki te minita i roto i te wahi tapu.
Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin'izay fitoerana masina ny henany
Me tango ano e koe te hipi toa o te whakatohungatanga, a ka kohua i ona kikokiko ki te wahi tapu.
Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona.
A ma Arona ratou ko ana tama e kai te kikokiko o te hipi, me te taro i roto i te kete, ki te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga.
Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.
Me kai ano e ratou aua mea o te whakamarie, hei whakatohunga, hei whakatapu mo ratou: kauaka ia te tangata ke e kai; he mea tapu hoki ena.
Ary raha misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin'ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina.
A, ki te toe tetahi wahi o te kikokiko o nga whakatohungatanga, o te taro ranei, ki te ata, me tahu e koe taua toenga ki te ahi: kei kainga; he mea tapu hoki.
Dia manaova izany amin'i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
Kia penei tau e mea ai ki a Arona ratou ko ana tama; kia rite ki nga mea katoa i whakahaua atu nei e ahau ki a koe: e whitu nga ra e whakatohunga ai koe i a ratou.
Ary vantotr'ombilahy iray no haterinao isan'andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.
A me tuku e koe i tenei ra, i tenei ra, tetahi kau hei whakahere hara, hei whakamarie: me pure ano e koe te aata, ina oti i a koe te whakamarie mo taua mea; me whakawahi ano kia tapu ai.
Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an'ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy.
E whitu nga ra e whakamarie ai koe mo te aata, hei whakatapu; a ka meinga hei aata tino tapu; ko nga mea katoa e pa ana ki te aata, ka tapu.
Ary izao no haterinao eo ambonin'ny alitara: zanak'ondry roa izay iray taona isan'andro isan'andro
A ko tenei tau e tuku ai ki runga ki te aata; e rua reme, he tautahi me mea tonu tenei i nga ra katoa.
(ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),
Ko tetahi reme me tuku i te ata, ko te rua o nga reme me tuku i te ahiahi.
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry iray.
Ko te reme me te whakatekau o te paraoa, he mea konatunatu ki te hinu tuki, he whakawha no te hine, me te whakawha o te hine waina, hei ringihanga.
Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
A me tuku e koe tetahi reme i te ahiahi; kia rite tau tukunga ki to te whakahere totokore o te ata, me tona ringihanga hoki, hei kakara reka, hei whakahere ahi ki a Ihowa.
Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay hihaonako aminareo hiteny aminao
Hei tahunga tinana tenei e mau tonu ana i o koutou whakatupuranga, i te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga, i te aroaro o Ihowa, i te wahi e tutaki ai ahau ki a koutou, korero ai ki a koe.
Ary hihaona amin'ny Zanak'Isiraely ao Aho, ka hohamasinin'ny voninahitro izy.
A ka tutaki ahau ki reira ki nga tama a Iharaira, ka tapu ano a reira i toku kororia.
Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
Ka whakatapua ano e ahau te tapenakara o te whakaminenga me te aata: ka whakatapua ano a Arona ratou ko ana tama, hei tohunga maku.
Ary honina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.
A ka noho ahau ki waenganui i nga tama a Iharaira, a hei Atua ahau mo ratou.
Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
A ka mohio ratou ko Ihowa ahau, ko to ratou Atua, i whakaputaia mai ai ratou i te whenua o Ihipa, kia noho ai ahau i waenganui i a ratou: ko Ihowa ahau, ko to ratou Atua.