Psalms 97

Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
耶和华作王!愿地快乐!愿众海岛欢喜!
Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.
密云和幽暗在他的四围;公义和公平是他宝座的根基。
Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
有烈火在他前头行,烧灭他四围的敌人。
Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
他的闪电光照世界,大地看见便震动。
Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
诸山见耶和华的面,就是全地之主的面,便消化如蜡。
Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
诸天表明他的公义;万民看见他的荣耀。
Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
愿一切事奉雕刻的偶像、靠虚无之神自夸的,都蒙羞愧。万神哪,你们都当拜他。
Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
耶和华啊,锡安听见你的判断就欢喜;犹大的城邑(原文是女子)也都快乐。
Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao.
因为你─耶和华至高,超乎全地;你被尊崇,远超万神之上。
Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
你们爱耶和华的,都当恨恶罪恶;他保护圣民的性命,搭救他们脱离恶人的手。
Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.
散布亮光是为义人;预备喜乐是为正直人。
Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.
你们义人当靠耶和华欢喜,称谢他可记念的圣名。