Psalms 96

Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra.
你们要向耶和华唱新歌!全地都要向耶和华歌唱!
Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
要向耶和华歌唱,称颂他的名!天天传扬他的救恩!
Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
在列邦中述说他的荣耀!在万民中述说他的奇事!
Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra.
因耶和华为大,当受极大的讚美;他在万神之上,当受敬畏。
Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
外邦的神都属虚无;惟独耶和华创造诸天。
Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.
有尊荣和威严在他面前;有能力与华美在他圣所。
Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
民中的万族啊,你们要将荣耀、能力归给耶和华,都归给耶和华!
Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
要将耶和华的名所当得的荣耀归给他,拿供物来进入他的院宇。
Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
当以圣洁的(的:或译为)妆饰敬拜耶和华;全地要在他面前战抖!
Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.
人在列邦中要说:耶和华作王!世界就坚定,不得动摇;他要按公正审判众民。
Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
愿天欢喜,愿地快乐!愿海和其中所充满的澎湃!
Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'ala
愿田和其中所有的都欢乐!那时,林中的树木都要在耶和华面前欢呼。
Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.
因为他来了,他来要审判全地。他要按公义审判世界,按他的信实审判万民。