Philippians 3

Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.
弟兄们,我还有话说,你们要靠主喜乐。我把这话再写给你们,于我并不为难,于你们却是妥当。
Tandremo ny tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ny voakilema.
应当防备犬类,防备作恶的,防备妄自行割的。
Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo;
因为真受割礼的,乃是我们这以 神的灵敬拜、在基督耶稣里夸口、不靠著肉体的。
kanefa mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho;
其实,我也可以靠肉体;若是别人想他可以靠肉体,我更可以靠著了。
fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
我第八天受割礼;我是以色列族、便雅悯支派的人,是希伯来人所生的希伯来人。就律法说,我是法利赛人;
araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.
就热心说,我是逼迫教会的;就律法上的义说,我是无可指摘的。
Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy.
只是我先前以为与我有益的,我现在因基督都当作有损的。
Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy;
不但如此,我也将万事当作有损的,因我以认识我主基督耶稣为至宝。我为他已经丢弃万事,看作粪土,为要得著基督;
ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana;
并且得以在他里面,不是有自己因律法而得的义,乃是有信基督的义,就是因信 神而来的义,
eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany,
使我认识基督,晓得他复活的大能,并且晓得和他一同受苦,效法他的死,
raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.
或者我也得以从死里复活。
Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.
这不是说我已经得著了,已经完全了;我乃是竭力追求,或者可以得著基督耶稣所以得著我的(或作:所要我得的)。
Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha,
弟兄们,我不是以为自己已经得著了;我只有一件事,就是忘记背后,努力面前的,
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.
向著标竿直跑,要得 神在基督耶稣里从上面召我来得的奖赏。
Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon'Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
所以我们中间,凡是完全人总要存这样的心;若在什么事上存别样的心, 神也必以此指示你们。
Kanefa aoka ho amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
然而,我们到了什么地步,就当照著什么地步行。
Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
弟兄们,你们要一同效法我,也当留意看那些照我们榜样行的人。
Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny;
因为有许多人行事是基督十字架的仇敌。我屡次告诉你们,现在又流泪的告诉你们:
fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy.
他们的结局就是沉沦;他们的神就是自己的肚腹。他们以自己的羞辱为荣耀,专以地上的事为念。
Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
我们却是天上的国民,并且等候救主,就是主耶稣基督从天上降临。
Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
他要按著那能叫万有归服自己的大能,将我们这卑贱的身体改变形状,和他自己荣耀的身体相似。