Philippians 2

Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
所以,在基督里若有什么劝勉,爱心有什么安慰,圣灵有什么交通,心中有什么慈悲怜悯,
dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
你们就要意念相同,爱心相同,有一样的心思,有一样的意念,使我的喜乐可以满足。
tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
凡事不可结党,不可贪图虚浮的荣耀;只要存心谦卑,各人看别人比自己强。
Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
各人不要单顾自己的事,也要顾别人的事。
Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
你们当以基督耶稣的心为心:
Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
他本有 神的形像,不以自己与 神同等为强夺的;
fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona;
反倒虚己,取了奴仆的形像,成为人的样式;
ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
既有人的样子,就自己卑微,存心顺服,以至于死,且死在十字架上。
Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
所以, 神将他升为至高,又赐给他那超乎万名之上的名,
mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
叫一切在天上的、地上的,和地底下的,因耶稣的名无不屈膝,
sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
无不口称耶稣基督为主,使荣耀归与父 神。
Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
这样看来,我亲爱的弟兄,你们既是常顺服的,不但我在你们那里,就是我如今不在你们那里,更是顺服的,就当恐惧战兢做成你们得救的工夫。
Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.
因为你们立志行事都是 神在你们心里运行,为要成就他的美意。
Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
凡所行的,都不要发怨言,起争论,
mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
使你们无可指摘,诚实无伪,在这弯曲悖谬的世代作 神无瑕疵的儿女。你们显在这世代中,好像明光照耀,
mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
将生命的道表明出来,叫我在基督的日子好夸我没有空跑,也没有徒劳。
Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
我以你们的信心为供献的祭物,我若被浇奠在其上,也是喜乐,并且与你们众人一同喜乐。
Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
你们也要照样喜乐,并且与我一同喜乐。
Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
我靠主耶稣指望快打发提摩太去见你们,叫我知道你们的事,心里就得著安慰。
Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.
因为我没有别人与我同心,实在罣念你们的事。
Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
别人都求自己的事,并不求耶稣基督的事。
izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
但你们知道提摩太的明证;他兴旺福音,与我同劳,待我像儿子待父亲一样。
Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
所以,我一看出我的事要怎样了结,就盼望立刻打发他去;
Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
但我靠著主自信我也必快去。
Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko.
然而,我想必须打发以巴弗提到你们那里去。他是我的兄弟,与我一同做工,一同当兵,是你们所差遣的,也是供给我需用的。
Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
他很想念你们众人,并且极其难过,因为你们听见他病了。
Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
他实在是病了,几乎要死;然而 神怜恤他,不但怜恤他,也怜恤我,免得我忧上加忧。
Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.
所以我越发急速打发他去,叫你们再见他,就可以喜乐,我也可以少些忧愁。
Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;
故此,你们要在主里欢欢乐乐的接待他,而且要尊重这样的人;
fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
因他为做基督的工夫,几乎至死,不顾性命,要补足你们供给我的不及之处。