Philippians 4

Ary amin'izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo ianareo, ry malalako.
我所亲爱、所想念的弟兄们,你们就是我的喜乐,我的冠冕。我亲爱的弟兄,你们应当靠主站立得稳。
Mananatra an'i Eodia aho, ary mananatra an'i Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tompo izy.
我劝友阿爹和循都基,要在主里同心。
Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny fiainana.
我也求你这真实同负一轭的,帮助这两个女人,因为他们在福音上曾与我一同劳苦;还有革利免,并其余和我一同做工的,他们的名字都在生命册上。
Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.
你们要靠主常常喜乐。我再说,你们要喜乐。
Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
当叫众人知道你们谦让的心。主已经近了。
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.
应当一无罣虑,只要凡事借著祷告、祈求,和感谢,将你们所要的告诉 神。
Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
 神所赐、出人意外的平安必在基督耶稣里保守你们的心怀意念。
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
弟兄们,我还有未尽的话:凡是真实的、可敬的、公义的、清洁的、可爱的、有美名的,若有什么德行,若有什么称讚,这些事你们都要思念。
Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
你们在我身上所学习的,所领受的,所听见的,所看见的,这些事你们都要去行,赐平安的 神就必与你们同在。
Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
我靠主大大的喜乐,因为你们思念我的心如今又发生;你们向来就思念我,只是没得机会。
Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
我并不是因缺乏说这话;我无论在什么景况都可以知足,这是我已经学会了。
Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
我知道怎样处卑贱,也知道怎样处丰富;或饱足,或饥饿;或有余,或缺乏,随事随在,我都得了祕诀。
Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
我靠著那加给我力量的,凡事都能做。
Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
然而,你们和我同受患难原是美事。
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany.
腓立比人哪,你们也知道我初传福音离了马其顿的时候,论到授受的事,除了你们以外,并没有别的教会供给我。
Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
就是我在帖撒罗尼迦,你们也一次两次的打发人供给我的需用。
Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
我并不求什么餽送,所求的就是你们的果子渐渐增多,归在你们的帐上。
Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany.
但我样样都有,并且有余。我已经充足,因我从以巴弗提受了你们的餽送,当作极美的香气,为 神所收纳、所喜悦的祭物。
Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.
我的 神必照他荣耀的丰富,在基督耶稣里,使你们一切所需用的都充足。
Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
愿荣耀归给我们的父 神,直到永永远远。阿们!
Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
请问在基督耶稣里的各位圣徒安。在我这里的众弟兄都问你们安。
Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan'i Kaisara.
众圣徒都问你们安。在凯撒家里的人特特的问你们安。
Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.
愿主耶稣基督的恩常在你们心里!