I Corinthians 16

Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia.
论到为圣徒捐钱,我从前怎样吩咐加拉太的众教会,你们也当怎样行。
Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.
每逢七日的第一日,各人要照自己的进项抽出来留著,免得我来的时候现凑。
Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.
及至我来到了,你们写信举荐谁,我就打发他们,把你们的捐资送到耶路撒冷去。
Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
若我也该去,他们可以和我同去。
Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho -
我要从马其顿经过;既经过了,就要到你们那里去,
ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako.
或者和你们同住几时,或者也过冬。无论我往那里去,你们就可以给我送行。
Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo.
我如今不愿意路过见你们;主若许我,我就指望和你们同住几时。
Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta;
但我要仍旧住在以弗所,直等到五旬节;
fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
因为有宽大又有功效的门为我开了,并且反对的人也多。
Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
若是提摩太来到,你们要留心,叫他在你们那里无所惧怕;因为他劳力做主的工,像我一样。
Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho.
所以,无论谁都不可藐视他,只要送他平安前行,叫他到我这里来,因我指望他和弟兄们同来。
Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy.
至于兄弟亚波罗,我再三的劝他同弟兄们到你们那里去;但这时他决不愿意去,几时有了机会他必去。
Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
你们务要儆醒,在真道上站立得稳,要作大丈夫,要刚强。
Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.
凡你们所做的都要凭爱心而做。
Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
弟兄们,你们晓得司提反一家,是亚该亚初结的果子,并且他们专以服事圣徒为念。
mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
我劝你们顺服这样的人,并一切同工同劳的人。
Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;
司提反和福徒拿都,并亚该古到这里来,我很喜欢;因为你们待我有不及之处,他们补上了。
fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
他们叫我和你们心里都快活。这样的人,你们务要敬重。
Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony.
亚细亚的众教会问你们安。亚居拉和百基拉并在他们家里的教会,因主多多的问你们安。
Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.
众弟兄都问你们安。你们要亲嘴问安,彼此务要圣洁。
Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.
我─保罗亲笔问安。
Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata.
若有人不爱主,这人可诅可咒。主必要来!
Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo;
愿主耶稣基督的恩常与你们众人同在!
ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.
我在基督耶稣里的爱与你们众人同在。阿们!