Acts 21

And it came to pass, that after we were gotten from them, and had launched, we came with a straight course unto Coos, and the day following unto Rhodes, and from thence unto Patara:
Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
And finding a ship sailing over unto Phenicia, we went aboard, and set forth.
ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
Now when we had discovered Cyprus, we left it on the left hand, and sailed into Syria, and landed at Tyre: for there the ship was to unlade her burden.
Ary nony nahatsinjo an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo.
And finding disciples, we tarried there seven days: who said to Paul through the Spirit, that he should not go up to Jerusalem.
Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
And when we had accomplished those days, we departed and went our way; and they all brought us on our way, with wives and children, till we were out of the city: and we kneeled down on the shore, and prayed.
Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
And when we had taken our leave one of another, we took ship; and they returned home again.
ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
And when we had finished our course from Tyre, we came to Ptolemais, and saluted the brethren, and abode with them one day.
Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
And the next day we that were of Paul's company departed, and came unto Cæsarea: and we entered into the house of Philip the evangelist, which was one of the seven; and abode with him.
Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
And the same man had four daughters, virgins, which did prophesy.
Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
And as we tarried there many days, there came down from Judæa a certain prophet, named Agabus.
Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
And when he was come unto us, he took Paul's girdle, and bound his own hands and feet, and said, Thus saith the Holy Ghost, So shall the Jews at Jerusalem bind the man that owneth this girdle, and shall deliver him into the hands of the Gentiles.
Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.
And when we heard these things, both we, and they of that place, besought him not to go up to Jerusalem.
Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
Then Paul answered, What mean ye to weep and to break mine heart? for I am ready not to be bound only, but also to die at Jerusalem for the name of the Lord Jesus.
Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
And when he would not be persuaded, we ceased, saying, The will of the Lord be done.
Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.
And after those days we took up our carriages, and went up to Jerusalem.
Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
There went with us also certain of the disciples of Cæsarea, and brought with them one Mnason of Cyprus, an old disciple, with whom we should lodge.
Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
And when we were come to Jerusalem, the brethren received us gladly.
Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.
And the day following Paul went in with us unto James; and all the elders were present.
Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra.
And when he had saluted them, he declared particularly what things God had wrought among the Gentiles by his ministry.
Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy.
And when they heard it, they glorified the Lord, and said unto him, Thou seest, brother, how many thousands of Jews there are which believe; and they are all zealous of the law:
Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
And they are informed of thee, that thou teachest all the Jews which are among the Gentiles to forsake Moses, saying that they ought not to circumcise their children, neither to walk after the customs.
sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
What is it therefore? the multitude must needs come together: for they will hear that thou art come.
Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
Do therefore this that we say to thee: We have four men which have a vow on them;
Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;
Them take, and purify thyself with them, and be at charges with them, that they may shave their heads: and all may know that those things, whereof they were informed concerning thee, are nothing; but that thou thyself also walkest orderly, and keepest the law.
raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
As touching the Gentiles which believe, we have written and concluded that they observe no such thing, save only that they keep themselves from things offered to idols, and from blood, and from strangled, and from fornication.
Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
Then Paul took the men, and the next day purifying himself with them entered into the temple, to signify the accomplishment of the days of purification, until that an offering should be offered for every one of them.
Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.
And when the seven days were almost ended, the Jews which were of Asia, when they saw him in the temple, stirred up all the people, and laid hands on him,
Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly,
Crying out, Men of Israel, help: This is the man, that teacheth all men every where against the people, and the law, and this place: and further brought Greeks also into the temple, and hath polluted this holy place.
ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina.
(For they had seen before with him in the city Trophimus an Ephesian, whom they supposed that Paul had brought into the temple.)
(fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy).
And all the city was moved, and the people ran together: and they took Paul, and drew him out of the temple: and forthwith the doors were shut.
Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady.
And as they went about to kill him, tidings came unto the chief captain of the band, that all Jerusalem was in an uproar.
Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
Who immediately took soldiers and centurions, and ran down unto them: and when they saw the chief captain and the soldiers, they left beating of Paul.
ary niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly.
Then the chief captain came near, and took him, and commanded him to be bound with two chains; and demanded who he was, and what he had done.
Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
And some cried one thing, some another, among the multitude: and when he could not know the certainty for the tumult, he commanded him to be carried into the castle.
Ary ny sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
And when he came upon the stairs, so it was, that he was borne of the soldiers for the violence of the people.
Ary rehefa tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny fifanosehan'ny olona;
For the multitude of the people followed after, crying, Away with him.
fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
And as Paul was to be led into the castle, he said unto the chief captain, May I speak unto thee? Who said, Canst thou speak Greek?
Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
Art not thou that Egyptian, which before these days madest an uproar, and leddest out into the wilderness four thousand men that were murderers?
Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
But Paul said, I am a man which am a Jew of Tarsus, a city in Cilicia, a citizen of no mean city: and, I beseech thee, suffer me to speak unto the people.
Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona.
And when he had given him licence, Paul stood on the stairs, and beckoned with the hand unto the people. And when there was made a great silence, he spake unto them in the Hebrew tongue, saying,
Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe: