mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.
Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?
Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.
Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka,
Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,
Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).
Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.