Fa araka ny itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao.
Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy.
fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
ary tsy izany ihany, fa efa notendren'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay.