ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao?
Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;
ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra.
Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraita, mba hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny feo mahery indrindra.
Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.
Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.
Ary ny tantaran'i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Jeho, zanak'i Hanany, izay nakambana ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely, izany.
Ary Eliezera, zanak'i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin'i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin'i Ahazia dia horavan'i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy.