Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely.
Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany.
Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy.
fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany.