Leviticus 21

Mea ano a Ihowa ki a Mohi, Korero ki nga tohunga, ki nga tama a Arona, mea atu ki a ratou, Kaua tetahi e whakapoke i a ia mo te tupapaku o tona iwi:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny,
Engari mo tona whanaunga, mo te mea e tata ana ki a ia, mo tona whaea, mo tona papa, mo tana tama, mo tana tamahine, mo tona tuakana, teina ranei,
afa-tsy amin'ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
Mo tona tuahine hoki, ki te mea he wahine, he mea e tata ana ki a ia, a kahore ana tane: e ahei ana kia poke ia mona.
ary amin'ny fatin'ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
Kaua ia, he ariki nei no tona iwi, e whakapoke i a ia kia noa.
Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin'ny fireneny izy.
Kaua e whakatiwhaia o ratou matenga, kaua hoki e heua nga taha o o ratou pahau, kaua ano hoki e haea to ratou kikokiko.
Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
Kia tapu ratou ki to ratou Atua, kaua hoki e whakanoatia te ingoa o to ratou Atua: no te mea ko ratou hei whakahere i nga whakahere ahi a Ihowa, i te kai a to ratou Atua: mo reira kia tapu ratou.
Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.
Kaua ratou e tango i te wahine kairau, i te mea noa ranei, hei wahine; kaua ano hoki ratou e tango i te wahine i whakarerea e tana tane: he tangata tapu hoki ia na tona Atua.
Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.
Mo reira me whakatapu ia e koe, mana hoki e whakahere te kai a tou Atua: kia tapu ia ki a koe: he tapu hoki ahau, a Ihowa, tou kaiwhakatapu.
Dia hamasino izy, fa ny hanin'Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo.
Me te tamahine hoki a tetahi tohunga, ki te whakanoa ia i a ia, ki te kairau, kua whakanoatia e ia tona papa: me tahu ki te ahi.
Ary raha ny zanakavavin'ny mpisorona mandoto ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin'ny afo.
Me te tino tohunga hoki i roto i ona teina, te tangata i ringihia nei tona matenga ki te hinu whakawahi, a i whakatohungatia hei kakahu i nga kakahu, kaua e tukua e ia ona makawe kia mahora noa, kaua ano hoki e haea ona kakahu;
Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
Kaua hoki ia e haere atu ki tetahi tupapaku mate, kaua ano hoki ia e whakapoke i a ia mo tona papa, mo tona whaea ranei;
Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy aman-dreniny aza.
Kaua hoki ia e haere ki waho o te wahi tapu, kei noa i a ia te wahi tapu o tona Atua; kei runga hoki i a ia te karauna o te hinu whakawahi o tona Atua: ko Ihowa ahau.
Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
Me tango ano hoki e ia he wahine i tona wahinetanga.
Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
He pouaru, he wahine ranei i whakarerea, he wahine noa ranei, he wahine kairau ranei, kaua enei e tangohia e ia: engari me tango e ia he wahine i roto i tona iwi ake hei wahine.
Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
Kaua hoki e whakanoatia e ia ona uri roto i tona iwi: ko Ihowa hoki ahau te whakatapu nei i a ia.
Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
Korero ki a Arona, mea atu, Ki te mea he koha to tetahi o ou uri i o ratou whakatupuranga, kaua ia e whakatata mai ki te whakahere i te kai a tona Atua.
Mitenena amin'i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin'Andriamaniny;
Kaua hoki e whakatata mai tetahi tangata he koha tona: te matapo, te kopa, te tangata he ihu parehe tona, i hira ake ranei tetahi wahi ona,
Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
Te tangata ranei i whati te waewae, i whati ranei te ringa,
na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
Te tuara piko ranei, te mea i puwhenua te tupu, ki te papahewa ranei tona kanohi, ki te mea ranei he papaka, he hakihaki ranei tona, ki te mea ranei kua komurumurua ona mea;
na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
Kaua tetahi o nga uri o te tohunga, o Arona, ki te mea he koha tona, e whakatata mai ki te whakahere i nga whakahere ahi a Ihowa: he koha tona, kaua ia e whakatata ki te whakahere i te kai a tona Atua.
Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.
Me kai e ia te kai a tona Atua, te mea tapu rawa, me te mea tapu.
Ny hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
Otiia kaua ia e haere ki te arai, e whakatata ranei ki te aata; he koha hoki tona; kei noa i a ia oku wahi tapu: ko Ihowa hoki ahau te whakatapu nei i a ratou.
kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
Ko nga korero enei a Mohi ki a Arona ratou ko ana tama, ki nga tama katoa ano hoki a Iharaira.
Ary Mosesy dia nilaza izany tamin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra.