Exodus 36

Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah.
Na ka mahi a Petareere raua ko Ahoriapa, ratou ko nga tangata ngakau mohio katoa, i homai nei e Ihowa he ngakau tupato ki a ratou, me te whakaaro e mohiotia ai te mahi i nga tini mahi, o nga mea o te wahi tapu, o te pera me nga mea katoa i whakah aua e Ihowa.
Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.
A i karangatia e Mohi a Petareere raua ko Ahoriapa, me nga tangata ngakau mohio katoa; i homai nei e Ihowa he mahara ki o ratou ngakau, nga tangata katoa i toko ake o ratou ngakau kia haere ki te mahi mahi ai:
Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra reĀ­hetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.
Na ka tangohia e ratou i te aroaro o Mohi nga whakahere katoa i kawea e nga tama a Iharaira hei hanga i nga mea mo te wahi tapu, kia oti. I kawea ano e ratou he whakahere homai noa ki a ia i tenei ata, i tenei ata.
Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy,
Na ka haere mai nga tangata mohio katoa, nga kaimahi o nga mea katoa o te wahi tapu, tera, tera, i tana mahi i mahi ai;
ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.
A ka korero ki a Mohi, ka mea, He nui noa atu ta te iwi e kawe mai nei mo te mahinga o nga mea i whakahaua e Ihowa kia meatia.
Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran'ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
Na ka whakahau a Mohi, a ka pa te karanga i te puni, ka mea, Kaua tetahi tane, wahine ranei e mahi i tetahi atu mahi hei whakahere mo te wahi tapu. Na ka whakamutua te kawe mai a te iwi.
fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
He nui hoki, a toe ake, nga mea i a ratou mo te mahinga o nga mea katoa.
Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Na nga tangata ngakau mohio katoa o nga kaimahi i hanga te tapenakara ki nga pihi kotahi tekau, ki te rinena miro pai, ki te puru, ki te papura, ki te ngangana: he tohunga rawa te mahinga o nga kerupima i whatua ki roto.
Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
E rua tekau ma waru whatianga te roa o te pihi kotahi, e wha whatianga te whanui o te pihi kotahi: rite tonu te nui o nga pihi katoa.
Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
I honoa e ia nga pihi e rima tetahi ki tetahi: me era atu pihi e rima hoki, i honoa e ia tetahi ki tetahi.
Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
A i hanga ano e ia etahi koropiko puru ki te taha o tetahi pihi, ki te taha e honoa ana: i pera ano tana mahi ki te taha ki waho o tetahi pihi, ki te hononga mai o te rua.
Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
E rima tekau nga koropiko i hanga e ia ki tetahi pihi, e rima tekau hoki nga koropiko i hanga e ia ki te taha o te pihi i te hononga mai o te rua: a i mau nga koropiko tetahi ki tetahi.
Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
I hanga ano hoki e ia etahi toromoka koura e rima tekau, a honoa ana nga pihi tetahi ki tetahi ki nga toromoka: a ka kotahi ano te tapenakara.
Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
I hanga ano e ia etahi pihi ki te huruhuru koati, hei teneti mo runga i te tapenakara: kotahi tekau ma tahi nga pihi i hanga e ia.
Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
E toru tekau whatianga te roa o te pihi kotahi, e wha hoki nga whatianga te whanui o te pihi kotahi, rite tonu te nui o nga pihi kotahi tekau ma tahi.
Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
A i honoa e ia nga pihi e rima ki a ratou ano, me nga pihi e ono ki a ratou ano.
Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo anĀ­tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
I hanga ano e ia nga koropiko e rima tekau ki te tapa ki waho o te pihi i te hononga, i hanga ano e ia nga koropiko e rima tekau ki te tapa o te pihi e honoa mai ai te rua.
Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
I hanga ano e ia nga toromoka parahi e rima tekau, hei hono i te teneti kia kotahi.
Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
I hanga ano hoki e ia etahi hiako hipi he mea whakawhero, hei uhi mo te teneti, me etahi hiako pateri hei uhi mo waho atu.
Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.
I hanga ano hoki e ia etahi papa mo te tapenakara, he hitimi te rakau, he mea tu ki runga.
Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
Kotahi tekau whatianga te roa o te papa kotahi, kotahi whatianga me te hawhe te whanui o te papa kotahi.
Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely.
E rua nga arero o te papa kotahi, he mea hono ki a raua: he pera tonu tana i mea ai ki nga papa katoa o te tapenakara.
Ary nanao ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
I hanga ano e ia nga papa mo te tapenakara: e rua tekau nga papa mo te taha ki te tonga whaka te tonga:
Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.
E wha tekau hoki nga turanga hiriwa i hanga e ia mo nga papa e rua tekau; e rua nga turanga i raro i tetahi papa mo ona arero e rua, e rua hoki nga turanga i raro i tetahi atu papa mo ona arero e rua.
Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
A e rua tekau nga papa i hanga e ia mo tera taha o te tapenakara, mo te taha ki te raki.
Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo.
Me nga turanga hiriwa e wha tekau; nga turanga e rua mo raro iho i tetahi papa, me nga turanga e rua mo raro i tetahi atu papa.
Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
A mo te tuarongo o te tapenakara whaka te hauauru, e ono nga papa i hanga e ia.
Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.
E rua hoki nga papa i hanga e ia mo nga koki o te tapenakara i te tuarongo.
Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.
A i honoa aua papa i raro, i honoa ano i runga ki te mowhiti kotahi: i peratia e ia aua papa e rua i nga koki e rua.
Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
Na ka waru aua papa; me nga turanga hiriwa, kotahi tekau ma ono nga turanga; e rua nga turanga i raro i tetahi papa, i tetahi papa.
Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,
I hanga ano e ia etahi kaho, he hitimi te rakau: e rima mo nga papa o tetahi taha o te tapenakara,
sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
E rima hoki nga kaho mo nga papa o tetahi taha o te tapenakara, a e rima nga kaho mo nga papa o te tapenakara, mo te tuarongo ki te hauauru.
Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
A ko to waenga kaho i meinga e ia kia rere na waenganui o nga papa i tetahi pito ki tetahi pito.
Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
I whakakikoruatia ano e ia nga papa ki te koura, a ka hanga nga mowhiti o aua papa ki te koura hei kuhunga mo nga kaho; i whakakikoruatia ano e ia nga kaho ki te koura.
Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
I hanga ano e ia he arai ki te puru, ki te papura, ki te ngangana, ki te rinena miro pai; he tohunga rawa te mahinga o nga kerupima i whatua e ia ki roto.
Ary nanao andry efatra tamin'ny hazo akasia izy hihantonan'izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy'hiorenany.
I hanga ano e ia ona pou e wha ki te hitimi, a whakakikoruatia iho e ia ki te koura; he koura nga matau: i whakarewaina ano e ia nga turanga hiriwa e wha mo aua mea.
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
I hanga ano he pa mo te whatitoka o te teneti ki te puru, ki te papura, ki te ngangana, ki te rinena miro pai hoki, he mea mahi ki te ngira;
Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
Me ona pou e rima, me nga matau a aua pou: a i whakakikoruatia e ia nga pito ki runga o aua pou me nga awhi ki te koura: ko nga turanga e rima ia he parahi.