Hebrews 11

Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
כי האמונה היא חסן הבטחון במקוה והוכחת דברים לא נראים׃
Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
ובה נחלו האבות עדות׃
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
באמונה נבין כי העולמות נעשו בדבר האלהים למען אשר יצא הנראה מן הנעלם׃
Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
באמונה הקריב הבל לאלהים זבח טוב מקין אשר היה לו לעדות כי צדיק הוא בהעיד אלהים על מנחתיו ובה עודנו מדבר אחרי מותו׃
Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.
באמונה לקח חנוך לבלתי ראותו המות ואיננו כי לקח אתו אלהים והועד עליו לפני הלקחו כי את האלהים התהלך׃
Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
ובלי אמונה לא יוכל איש להיות רצוי אל האלהים כי כל הקרב אליו צריך להאמין כי יש אלהים וגמול הוא משיב לדרשיו׃
Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
באמונה בנה נח ביראת יהוה את התבה להצלת ביתו אתרי אשר צוה על דברים לא נראים עדין וירשע בה את העולם ויהי לירש הצדקה עקב האמונה׃
Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
באמונה שמע אברהם כאשר נקרא ללכת אל הארץ אשר יירשנה ויצא ולא ידע אנה יבוא׃
Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
באמונה היה גר בארץ ההבטחה כמו בנכריה וישב באהלים הוא ויצחק ויעקב אשר ירשו עמו ההבטחה ההיא׃
fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
כי חכה לעיר אשר יסודתה נאמנה ובונה ומכוננה האלהים׃
Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
באמונה שרה גם היא קבלה הכח להזריע ותלד אחרי בלתה כי חשבה לנאמן את המבטיח׃
Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
על כן מאחד אשר כמעט מת גופו יצאו ככוכבי השמים לרב וכחול על שפת הים אשר לא יספר׃
Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.
כפי אמונה מתו כל אלה ולא השיגו את ההבטחות רק מרחוק ראו אותן ויבטחו וישמחו לקראתן ויודו כי גרים הם ותושבים בארץ׃
Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
הלא המדברים כזאת יודיעו כי הם מבקשי ארץ מושב׃
Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
ואם היתה דעתם על הארץ ההיא אשר יצאו ממנה הלא היה בידם לשוב אליה׃
Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy.
אכן נכספו למושב טוב ממנו והוא בשמים ועל כן לא בוש האלהים להקרא אלהיהם כי הכין להם עיר׃
Finoana no nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
באמונה העלה אברהם את יצחק כאשר נסה ואת יחידו הקריב המקבל את ההבטחות׃
dia ilay nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen. 21.12).
אשר נאמר לו כי ביצחק יקרא לך זרע׃
Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.
ויחשב בלבו כי יכול יוכל אלהים להחיות גם את המתים על כן גם הושב אליו להיות למשל׃
Finoana no nitsofan'isaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.
באמונה ברך יצחק את יעקב ואת עשו וידבר על העתידות׃
Finoana no nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny.
באמונה ברך יעקב את שני בני יוסף לפני מותו וישתחו על ראש המטה׃
Finoana no nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin'ny taolany.
באמונה הזכיר יוסף בקרב קצו את יציאת בני ישראל ויצו על אדות עצמותיו׃
Finoana no nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.
באמונה הצפינו את משה אבותיו שלשה ירחים אהרי הולדו כראתם את הילד כי טוב הוא ולא יראו את מצות המלך׃
Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy,-
באמונה מאן משה כאשר גדל להקרא בן לבת פרעה׃
nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana,
ויבחר לסבל את עני עם אלהים מלהתענג לשעה בתענוגי החטא׃
nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
בחשבו את חרפת המשיח לעשר גדול מאצרות מצרים כי הביט אל הגמול׃
Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
באמונה עזב את ארץ מצרים ולא ירא מחמת המלך כי היה כראה אשר איננו נראה ויתחזק׃
Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa.
באמונה עשה את הפסח ונתינת הדם למען אשר לא יגע המשחית בבכוריהם׃
Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
באמונה עברו את ים סוף ביבשה אשר נסו מצרים גם המה לעבר בו ויטבעו׃
Finoana no nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
באמונה נפלו חומות יריחו אחרי הקיפו אותן שבעת ימים׃
Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.
באמונה לא אבדה רחב הזונה עם הסוררים כי אספה את המרגלים אל ביתה בשלום׃
Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
ומה אמר עוד הן תקצר לי העת אם אספר מעשי גדעון וברק ושמשון ויפתח ודוד ושמואל והנביאים׃
izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona,
אשר באמונה כבשו ממלכות ופעלו צדק והשגו הבטחות וסכרו פי אריות׃
namono ny fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa.
וכבו גבורת האש ונמלטו מפי החרב והתחזקו מחלים ועשו חיל במלחמה והפילו מחנות זרים׃
Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
נשים לקחו מתחיה את מתיהן ואחרים רטשו בענוים ולא אבו להנצל למען יזכו לתחיה טובה ממנה׃
ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
מהם נסו בתעלולים ובמכות וגם נמסרו לכבל ומסגר׃
notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana
נסקלו באבנים נסרו במגרה נבחנו ביסורים מתו לפי חרב וינעו עטופי עורת כבשים ועזים בחסר ובעצר רעה ויגון׃
(nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
אשר העולם לא היה כדי להם הם תעו במדבר ובהרים ובמערות ובנקיקי הארץ׃
Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,
וכל אלה אף היתה להם העדות בגלל אמונתם לא קבלו את ההבטחה׃
fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
למען אשר לא ישלמו בלעדינו כי צפה לנו אלהים מקדם טובה יתרה׃