Ezekiel 40

Tamin'ny taona fahadimy amby roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo taorian'ny namelezana ny tanàna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tànan'i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
我们被掳掠第二十五年,耶路撒冷城攻破后十四年,正在年初,月之初十日,耶和华的灵(原文是手)降在我身上,他把我带到以色列地。
Fahitana avy amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin'ny ilany atsimo.
在 神的异象中带我到以色列地,安置在至高的山上;在山上的南边有彷彿一座城建立。
Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
他带我到那里,见有一人,颜色(原文是形状)如铜,手拿麻绳和量度的竿,站在门口。
Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.
那人对我说:「人子啊,凡我所指示你的,你都要用眼看,用耳听,并要放在心上。我带你到这里来,特为要指示你;凡你所见的,你都要告诉以色列家。」
Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.
我见殿四围有墙。那人手拿量度的竿,长六肘,每肘是一肘零一掌。他用竿量墙,厚一竿,高一竿。
Dia tonga teo amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany.
他到了朝东的门,就上门的台阶,量门的这槛,宽一竿;又量门的那槛,宽一竿。
Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.
又有卫房,每房长一竿,宽一竿,相隔五肘。门槛,就是挨著向殿的廊门槛,宽一竿。
Dia norefesiny koa ny lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.
他又量向殿门的廊子,宽一竿。
Ary norefesiny ny lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.
又量门廊,宽八肘,墙柱厚二肘;那门的廊子向著殿。
Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.
东门洞有卫房:这旁三间,那旁三间,都是一样的尺寸;这边的柱子和那边的柱子,也是一样的尺寸。
Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.
他量门口,宽十肘,长十三肘。
Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
卫房前展出的境界:这边一肘,那边一肘;卫房这边六肘,那边六肘。
Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
又量门洞,从这卫房顶的后檐到那卫房顶的后檐,宽二十五肘;卫房门与门相对。
Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
又量(原文是造)廊子六十肘(七十士译本是二十肘),墙柱外是院子,有廊为界,在门洞两边。
Ary hatreo anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
从大门口到内廊前,共五十肘。
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia avokoa.
卫房和门洞两旁柱间并廊子,都有严紧的窗櫺;里边都有窗櫺,柱上有雕刻的棕树。
Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.
他带我到外院,见院的四围有铺石地;铺石地上有屋子三十间。
Ary ny lampivato dia teo anilan'ny vavahady, sady nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady: lampivato ambany io.
铺石地,就是矮铺石地在各门洞两旁,以门洞的长短为度。
Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny, dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
他从下门量到内院外,共宽一百肘,东面北面都是如此。
An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
他量外院朝北的门,长宽若干。
Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
门洞的卫房,这旁三间,那旁三间。门洞的柱子和廊子,与第一门的尺寸一样。门洞长五十肘,宽二十五肘。
Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.
其窗櫺和廊子,并雕刻的棕树,与朝东的门尺寸一样。登七层台阶上到这门,前面有廊子。
Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
内院有门与这门相对,北面东面都是如此。他从这门量到那门,共一百肘。
Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
他带我往南去,见朝南有门,又照先前的尺寸量门洞的柱子和廊子。
Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
门洞两旁与廊子的周围都有窗櫺,和先量的窗櫺一样。门洞长五十肘,宽二十五肘。
Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.
登七层台阶上到这门,前面有廊子;柱上有雕刻的棕树,这边一棵,那边一棵。
Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.
内院朝南有门。从这门量到朝南的那门,共一百肘。
Ary nentiny niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
他带我从南门到内院,就照先前的尺寸量南门。
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
卫房和柱子,并廊子都照先前的尺寸。门洞两旁与廊子的周围都有窗櫺。门洞长五十肘,宽二十五肘。
Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
周围t有廊子,长二十五肘,宽五肘。
Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
廊子朝著外院,柱上有雕刻的棕树。登八层台阶上到这门。
Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
他带我到内院的东面,就照先前的尺寸量东门。
Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
卫房和柱子,并廊子都照先前的尺寸。门洞两旁与廊子的周围都有窗櫺。门洞长五十肘,宽二十五肘。
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
廊子朝著外院。门洞两旁的柱子都有雕刻的棕树。登八层台阶上到这门。
Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
他带我到北门,就照先前的尺寸量那门,
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
就是量卫房和柱子,并廊子。门洞周围都有窗櫺;门洞长五十肘,宽二十五肘。
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.
廊柱朝著外院。门洞两旁的柱子都有雕刻的棕树。登八层台阶上到这门。
Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
门洞的柱旁有屋子和门;祭司(原文是他们)在那里洗燔祭牲。
Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
在门廊内,这边有两张桌子,那边有两张桌子,在其上可以宰杀燔祭牲、赎罪祭牲,和赎愆祭牲。
Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
上到朝北的门口,这边有两张桌子,门廊那边也有两张桌子。
Nisy latabatra efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
门这边有四张桌子,那边有四张桌子,共八张;在其上祭司宰杀牺牲。
Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
为燔祭牲有四张桌子,是凿过的石头做成的,长一肘半,宽一肘半,高一肘。祭司将宰杀燔祭牲和平安祭牲所用的器皿放在其上。
Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.
有钩子,宽一掌,钉在廊内的四围。桌子上有牺牲的肉。
Ary teo ivelan'ny vavahady anatiny, teo anilan'ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an'ny mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan'ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
,在北门旁,内院里有屋子,为歌唱的人而设。这屋子朝南(南:原文是东);在南门旁,又有一间朝北。
Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin'ny trano.
他对我说:「这朝南的屋子是为看守殿宇的祭司;
Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
那朝北的屋子是为看守祭坛的祭司。这些祭司是利未人中撒督的子孙,近前来事奉耶和华的。」
Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan'ny trano.
他又量内院,长一百肘,宽一百肘,是见方的。祭坛在殿前。
Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
于是他带我到殿前的廊子,量廊子的墙柱。这面厚五肘,那面厚五肘。门两旁,这边三肘,那边三肘。
Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.
廊子长二十肘,宽十一肘。上廊子有台阶。靠近墙柱又有柱子,这边一根,那边一根。