Ezekiel 41

Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.
他带我到殿那里量墙柱:这面厚六肘,那面厚六肘,宽窄与会幕相同。
Ary ny sakan'ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
门口宽十肘。门两旁,这边五肘,那边五肘。他量殿长四十肘,宽二十肘。
Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.
他到内殿量墙柱,各厚二肘。门口宽六肘,门两旁各宽七肘。
Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.
他量内殿,长二十肘,宽二十肘。他对我说:「这是至圣所。」
Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin'ny rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny paosin-trano dia efatra hakiho.
他又量殿墙,厚六肘;围著殿有旁屋,各宽四肘。
Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.
旁屋有三层,层叠而上,每层排列三十间。旁屋的梁木搁在殿墙坎上,免得插入殿墙。
Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.
这围殿的旁屋越高越宽;因旁屋围殿悬叠而上,所以越上越宽,从下一层,由中一层,到上一层。
Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.
我又见围著殿有高月台。旁屋的根基,高足一竿,就是六大肘。
Ny hatevin'ny rindrina ivelany amin'ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.
旁屋的外墙厚五肘。旁屋之外还有余地。
Ary ny teo anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
在旁屋与对面的房屋中间有空地,宽二十肘。
Ary ny varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
旁屋的门都向余地:一门向北,一门向南。周围的余地宽五肘。
Ary ny trano izay teo anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
在西面空地之后有房子,宽七十肘,长九十肘,墙四围厚五肘。
Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
这样,他量殿,长一百肘,又量空地和那房子并墙,共长一百肘。
Ary ny sakan'ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
殿的前面和两旁的空地,宽一百肘。
Dia norefesiny ny lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny kianja
他量空地后面的那房子,并两旁的楼廊,共长一百肘。
ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
内殿、院廊、门槛、严紧的窗櫺,并对著门槛的三层楼廊,从地到窗櫺(窗櫺都有蔽子),
ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.
直到门以上,就是到内殿和外殿内外四围墙壁,都按尺寸用木板遮蔽。
Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin'ny hazo rofia dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,
墙上雕刻基路伯和棕树。每二基路伯中间有一棵棕树,每基路伯有二脸。
ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.
这边有人脸向著棕树,那边有狮子脸向著棕树,殿内周围都是如此。
Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.
从地至门以上,都有基路伯和棕树。殿墙就是这样。
Efa-joro ny tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin'izany koa.
殿的门柱是方的。至圣所的前面,形状和殿的形状一样。
Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.
坛是木头做的,高三肘,长二肘。坛角和坛面,并四旁,都是木头做的。他对我说:「这是耶和华面前的桌子。」
Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.
殿和至圣所的门各有两扇。
Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin'ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny anankiray.
每扇分两扇,这两扇是摺叠的。这边门分两扇,那边门也分两扇。
Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.
殿的门扇上雕刻基路伯和棕树,与刻在墙上的一般。在外头廊前有木槛。
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.
廊这边那边都有严紧的窗櫺和棕树;殿的旁屋和槛就是这样。