Psalms 132

LORD, remember David, and all his afflictions:
Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,
How he sware unto the LORD, and vowed unto the mighty God of Jacob;
Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:
Surely I will not come into the tabernacle of my house, nor go up into my bed;
Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,
I will not give sleep to mine eyes, or slumber to mine eyelids,
Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
Until I find out a place for the LORD, an habitation for the mighty God of Jacob.
Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
Lo, we heard of it at Ephratah: we found it in the fields of the wood.
Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika.
We will go into his tabernacles: we will worship at his footstool.
Aoka hiditra any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.
Arise, O LORD, into thy rest; thou, and the ark of thy strength.
Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.
Let thy priests be clothed with righteousness; and let thy saints shout for joy.
Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.
For thy servant David's sake turn not away the face of thine anointed.
Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.
The LORD hath sworn in truth unto David; he will not turn from it; Of the fruit of thy body will I set upon thy throne.
Jehovah efa nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao.
If thy children will keep my covenant and my testimony that I shall teach them, their children shall also sit upon thy throne for evermore.
Raha hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.
For the LORD hath chosen Zion; he hath desired it for his habitation.
Fa Jehovah efa nifidy an'i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
This is my rest for ever: here will I dwell; for I have desired it.
Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
I will abundantly bless her provision: I will satisfy her poor with bread.
Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
I will also clothe her priests with salvation: and her saints shall shout aloud for joy.
Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao.
There will I make the horn of David to bud: I have ordained a lamp for mine anointed.
Ao no hampitsimohako tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro.
His enemies will I clothe with shame: but upon himself shall his crown flourish.
Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.