Psalms 92

מזמור שיר ליום השבת טוב להדות ליהוה ולזמר לשמך עליון׃
Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
להגיד בבקר חסדך ואמונתך בלילות׃
Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
עלי עשור ועלי נבל עלי הגיון בכנור׃
Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga.
כי שמחתני יהוה בפעלך במעשי ידיך ארנן׃
Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.
מה גדלו מעשיך יהוה מאד עמקו מחשבתיך׃
Jehovah ô, akory ny halehiben'ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
איש בער לא ידע וכסיל לא יבין את זאת׃
Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
בפרח רשעים כמו עשב ויציצו כל פעלי און להשמדם עדי עד׃
Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
ואתה מרום לעלם יהוה׃
Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
כי הנה איביך יהוה כי הנה איביך יאבדו יתפרדו כל פעלי און׃
Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
ותרם כראים קרני בלתי בשמן רענן׃
Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an'ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
ותבט עיני בשורי בקמים עלי מרעים תשמענה אזני׃
Ary faly ny masoko mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
צדיק כתמר יפרח כארז בלבנון ישגה׃
Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
שתולים בבית יהוה בחצרות אלהינו יפריחו׃
Efa nambolena tao an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika;
עוד ינובון בשיבה דשנים ורעננים יהיו׃
Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
להגיד כי ישר יהוה צורי ולא עלתה בו׃
Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.