Leviticus 21

ויאמר יהוה אל משה אמר אל הכהנים בני אהרן ואמרת אלהם לנפש לא יטמא בעמיו׃
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny,
כי אם לשארו הקרב אליו לאמו ולאביו ולבנו ולבתו ולאחיו׃
afa-tsy amin'ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
ולאחתו הבתולה הקרובה אליו אשר לא היתה לאיש לה יטמא׃
ary amin'ny fatin'ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
לא יטמא בעל בעמיו להחלו׃
Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin'ny fireneny izy.
לא יקרחה קרחה בראשם ופאת זקנם לא יגלחו ובבשרם לא ישרטו שרטת׃
Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
קדשים יהיו לאלהיהם ולא יחללו שם אלהיהם כי את אשי יהוה לחם אלהיהם הם מקריבם והיו קדש׃
Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.
אשה זנה וחללה לא יקחו ואשה גרושה מאישה לא יקחו כי קדש הוא לאלהיו׃
Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.
וקדשתו כי את לחם אלהיך הוא מקריב קדש יהיה לך כי קדוש אני יהוה מקדשכם׃
Dia hamasino izy, fa ny hanin'Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo.
ובת איש כהן כי תחל לזנות את אביה היא מחללת באש תשרף׃
Ary raha ny zanakavavin'ny mpisorona mandoto ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin'ny afo.
והכהן הגדול מאחיו אשר יוצק על ראשו שמן המשחה ומלא את ידו ללבש את הבגדים את ראשו לא יפרע ובגדיו לא יפרם׃
Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
ועל כל נפשת מת לא יבא לאביו ולאמו לא יטמא׃
Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy aman-dreniny aza.
ומן המקדש לא יצא ולא יחלל את מקדש אלהיו כי נזר שמן משחת אלהיו עליו אני יהוה׃
Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
והוא אשה בבתוליה יקח׃
Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
אלמנה וגרושה וחללה זנה את אלה לא יקח כי אם בתולה מעמיו יקח אשה׃
Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
ולא יחלל זרעו בעמיו כי אני יהוה מקדשו׃
Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
וידבר יהוה אל משה לאמר׃
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
דבר אל אהרן לאמר איש מזרעך לדרתם אשר יהיה בו מום לא יקרב להקריב לחם אלהיו׃
Mitenena amin'i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin'Andriamaniny;
כי כל איש אשר בו מום לא יקרב איש עור או פסח או חרם או שרוע׃
Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
או איש אשר יהיה בו שבר רגל או שבר יד׃
na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
או גבן או דק או תבלל בעינו או גרב או ילפת או מרוח אשך׃
na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
כל איש אשר בו מום מזרע אהרן הכהן לא יגש להקריב את אשי יהוה מום בו את לחם אלהיו לא יגש להקריב׃
Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.
לחם אלהיו מקדשי הקדשים ומן הקדשים יאכל׃
Ny hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
אך אל הפרכת לא יבא ואל המזבח לא יגש כי מום בו ולא יחלל את מקדשי כי אני יהוה מקדשם׃
kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
וידבר משה אל אהרן ואל בניו ואל כל בני ישראל׃
Ary Mosesy dia nilaza izany tamin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra.