Psalms 45

(可拉后裔的训诲诗,又是爱慕歌,交与伶长。调用百合花。)我心里涌出美辞;我论到我为王做的事,我的舌头是快手笔。
Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.
你比世人更美;在你嘴里满有恩惠;所以 神赐福给你,直到永远。
Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay.
大能者啊,愿你腰间佩刀,大有荣耀和威严!
Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
为真理、谦卑、公义赫然坐车前往,无不得胜;你的右手必显明可畏的事。
Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
你的箭锋快,射中王敌之心;万民仆倒在你以下。
Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
 神啊,你的宝座是永永远远的;你的国权是正直的。
Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
你喜爱公义,恨恶罪恶;所以 神─就是你的 神─用喜乐油膏你,胜过膏你的同伴。
Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
你的衣服都有没药、沉香、肉桂的香气;象牙宫中有丝弦乐器的声音使你欢喜。
Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.
有君王的女儿在你尊贵妇女之中;王后佩戴俄斐金饰站在你右边。
Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
女子啊,你要听,要想,要侧耳而听!不要记念你的民和你的父家,
Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
王就羨慕你的美貌;因为他是你的主,你当敬拜他。
Raha irin'ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany.
推罗的民(原文是女子)必来送礼;民中的富足人也必向你求恩。
Ary ny zanakavavin'i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao.
王女在宫里极其荣华;她的衣服是用金线绣的。
Be voninahitra ny zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
她要穿锦绣的衣服,被引到王前;随从她的陪伴童女也要被带到你面前。
Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
她们要欢喜快乐被引导;她们要进入王宫。
Entina amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.
你的子孙要接续你的列祖;你要立他们在全地作王。
Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy.
我必叫你的名被万代记念,所以万民要永永远远称谢你。
Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.