Psalms 46

(可拉后裔的诗歌,交与伶长。调用女音。) 神是我们的避难所,是我们的力量,是我们在患难中随时的帮助。
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
所以,地虽改变,山虽摇动到海心,
Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
其中的水虽匉訇翻腾,山虽因海涨而战抖,我们也不害怕。(细拉)
Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
有一道河,这河的分汊使 神的城欢喜;这城就是至高者居住的圣所。
Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.
 神在其中,城必不动摇;到天一亮, 神必帮助这城。
Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
外邦喧嚷,列国动摇; 神发声,地便镕化。
Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
万军之耶和华与我们同在;雅各的 神是我们的避难所!(细拉)
Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
你们来看耶和华的作为,看他使地怎样荒凉。
Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
他止息刀兵,直到地极;他折弓、断枪,把战车焚烧在火中。
Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo.
你们要休息,要知道我是 神!我必在外邦中被尊崇,在遍地上也被尊崇。
Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho.
万军之耶和华与我们同在;雅各的 神是我们的避难所!
Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.